Alahady 17 Novambra 2019.
Fandalinana ny BOKY JEREMIA
Jeremia 37.1-21
Akaiky ny faharavan’i Jerosalema ka:
1-Tsy misy na inona na inona azo atao intsony
Nanantena ny famonjen’ny Egyptiana azy ny Joda . Tena niala tany Egypta tokoa ireo miaramila ireo hamonjy azy , saingy ambaran’i Jehovah amin’i Jeremia fa heverina an-dàlana ireo , ka tsy ho afaka intsony i Joda. Tena ho voadoro araka ny faminaniana nolazain’i Jeremia i Jerosalema satria na ny mpanjaka na ny mpanompony na ny vahoaka dia samy tsy nihaino ny Tenin’i Jehovah » (and2). Hoy ny Hira 358 FFPM hoe: « misy fetra ny fotoana azo amindrana fo » . Araraoty ny andro azo ibebahana .
2-Niharan’ny fisamborana i Jeremia
Nihevitra ny hody any aminn’y misy azy hikarakara raharaha i Jeremia. Nosamborina anefa izy ary natao an-tranomaizina . Tato aoriana dia natao tao an-kianjan’ny trano fiambenana izy . Tsy nisy ratsy nataony , nefa niharan’ny fampahoriana noho ny fijoroana ho vavolombelona fa manahafa an’i jesoa izay nijoro teo anatrehan’i Pontio Pilato sy ny mpitondra mba hanambara ny fahamarinana.
« Raiso ny Tenin’ Andramanitra » boky faha-6