Talata 12 Novambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 34.8-22
Ratsy toetra loatra ireto Israely ireto satria :
1-Manome tsy foifoy :
Izany no azo ilazana ny mpanapaka teo amin’Israely sy ny vahoaka . Didy mila arahin’izy ireo ny fanafahana izay rehetra babo , notanana nandritra ny enintaona mialohan’ny taona fahafito . (Eks 21.2-6). Nanaiky hampihatra izany ny mpanapaka sy ny vahoaka , nefa dia naveriny indray ireo andevo ireo hanompo azy tato aoriana. I Jesoa dia nanameloka ny fomba fisainana toy izany , ka nilaza hoe : « Fa aoka ny teninareo ho eny , eny ; tsia , tsia , fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy » (Mat 5.37).
Hitan’ Andriamanitra anefa izany ka loza fa :
2-Manandevo ka tonga andevo :
Nahatezitra an’ Andriamanitra ny fhetsiky ny mpitondra sy ny vahoaka. Toa naka an’ Andriamanitra ho vavolombelona hiampanga azy izy ireo . Nivadi-panekena izy ka dia : ho resim-pahavalo izy , ny voro-manidina no hihinana ny fatiny, hiverina handrava ny tanànany sy haka azy ho babo indray ny Babyloniana . Tandremo fa « Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Gal 6.7 ).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6