Talata 05 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 30.1-24

Tena tian’ Andriamanitra tokoa i Israely . Jereo ange e:

1-Faiziny rehefa maditra (and11,14-15)

Noho ny habetsaky ny helony dia tsy maintsy manafay azy i Jehovah , ary anisan’izany ny handefasana azy ho babo any Babylona . Ny zanaka tiana tokoa no anarina sy faizina.

2-Vonjena rehefa misy mampahory (and3,8,16)

Hotapahina ny zioga mangeja , haverina amin’ny taniny izy ireo , hovaliana ny fahavalo nampahory azy . Miandany mandrakariva amin’ny olony tokoa Andriamanitra . Koa meteza ho olony , ary tsarovy fa Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana i Jehovah (Sal 46.1).

3-Raisiny ho olony tokoa(and22) :

Ho olona karakarainy sy hataony ho fanehoana ny voninahiny rehefa mandray Azy ho Andriamaniny . Io no vontoatin’ny fanekena izay tsy mba ivadihan’ Andriamanitra na oviana na oviana . Ny fonenana indray ao Jerosalema no antok’ izany . Raiso i Jesoa dia ho zanak’ Andriamanitra sy ho olony ianao (Jao 1.12-13).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV