Talata 05 Novambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 30.1-24
Tena tian’ Andriamanitra tokoa i Israely . Jereo ange e:
1-Faiziny rehefa maditra (and11,14-15)
Noho ny habetsaky ny helony dia tsy maintsy manafay azy i Jehovah , ary anisan’izany ny handefasana azy ho babo any Babylona . Ny zanaka tiana tokoa no anarina sy faizina.
2-Vonjena rehefa misy mampahory (and3,8,16)
Hotapahina ny zioga mangeja , haverina amin’ny taniny izy ireo , hovaliana ny fahavalo nampahory azy . Miandany mandrakariva amin’ny olony tokoa Andriamanitra . Koa meteza ho olony , ary tsarovy fa Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana i Jehovah (Sal 46.1).
3-Raisiny ho olony tokoa(and22) :
Ho olona karakarainy sy hataony ho fanehoana ny voninahiny rehefa mandray Azy ho Andriamaniny . Io no vontoatin’ny fanekena izay tsy mba ivadihan’ Andriamanitra na oviana na oviana . Ny fonenana indray ao Jerosalema no antok’ izany . Raiso i Jesoa dia ho zanak’ Andriamanitra sy ho olony ianao (Jao 1.12-13).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6