Alahady 03 Novambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 29.1-14
Tsarovy hatrany fa mamana adidy ny velona :
1-Adidin’ny mpaminany ny mampahery
Efa nisy ampahany nentin’i Nebokadnezara ho babo any Babylona . Mitondra ny teny fampaherezana sy toro-làlana hampiadana azy i Jeremia . Tsy loza fa fiadanana no heverin’ Andriamanitra ho azy . Aza adinoina :tsy mba mandatsa ny Andriamanintsika , fa mpampahery sy mpitondra fiadanana.
2-Adidin’ny vahoaka ny mankato.
Asaina miaina toy ny fiaina andavanandro ny olona : manao trano , manambady , mamboly fa rehefa tonga ny 70 taona dia ho avy Andriamanitra hamonjy azy . Misy mpaminany sandoka milaza ny hiverenan’izy ireo vetivety . Mila maneho fahatokiana ilay Andriamanitra ivavahany ny mpino , na dia tsy takatry ny sainy aza ny fitondrany lalina .
3-Adidin’ny olon’ Andriamanitra ny mikatsaka izay hiadanan’ny ambanilanitra .
« Katsaho izay hiadanan’ny tanàna …ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy , fa raha miadana izy dia mba hiadana koa ianareo » . Moa tsy baiko miantefa amintsika rehetra ve izany , na dia mety tsy ho tianao aza ny mpitondra ? Asehoy ny fitiava-tanindrazana .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6