SAMPATI /Hafatra Zaikabe

HAFATRY NY ZAIKABE  SAMPATI 2019

Miara-misaotra an’Andriamanitra isika, ry havana fa tanteraka soa aman-tsara teto amin’ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (SP.02) ny famaranana ny Jobily faha-25 Taona SAMPATI sy ny Fihaonambe ary ny Zaikabe faha-8, ny 6 hatramin’ny 11 Oktobra 2019, izany dia natrehin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly sy ny Mpanampy azy, ary ny Mpiandraikitra Foibe izay Mpiahy ny SAMPATI.

Misaotra ny Mpitandrina sy ny Fiangonana naniraka ny SAMPATI tao aminy mba hanotrona ny fotoana . Izany no marika fa manana firaisankina ny SAMPATI amin’ny maha Sampam-Piangonana azy. Mankasitraka ny Prezida Synodaly sy ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao, ny SAMPATI Synodamparitany, ny Komity Mpanomana ny Jobily, ny Fihaonambe ary ny Zaikabe fa tsara ny fandraisam-bahiny. Ny Tompo anie hamaly fitia anareo tsirairay avy!

HAFATRA HO AMIN’NY EFA-TAONA MANARAKA (2019-2023)

IREO BIRAO FOIBE:

Ny Filoha: Atoa RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson, Mpitandrina (JABADY miremby)

Ny Filoha Mpanampy: Atoa REMARA Donatello, Mpitandrina (JAKALA Marisika)

Ny Filoha mpanampy laika: RtoaRANDRIANJA Voahangy (VONENINA Milofo)Ny Mpitantsoratra: RtoaRAVELOJAONA ZO Ravakiniaina

Ny mpitantsoratry ny vola: RtoaRAKOTONDRAMANANA Hasinariso Narindra

Ny Mpitahiry vola: RASIDY Georges

Ny mpanolontsaina: Atoa RAZAFINDRABE Justin (AKOMBA Mazoto)

IREO MPANDINIBOLA

Atoa RAHELIARINORO Haingomalala

Atoa RAZAFINDRABE Vivien José

Atoa RAKOTOARISOA Andry (SOLAMA Mikiry)

NY TONIA FOIBE

Atoa RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin, Mpitandrina (FANDRASA Mikalo).

 Momba ny Asam-baomiera: ny Fitsipika, ny Vola, ny Asa dia nitombo iray indray ny Vaomiera izay nandinika momba ny SAMPATI any ampitandranomasina.

 Hatsaraina hatrany ny fiaraha-miasan’ny SAMPATI amin’ny MTEM (Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara) sy amin’ny FMT2S amin’ny maha Mpikambana Mpanohana azy.

 Tapaka fa ankoatry ny Teny Faneva hoe “Aoka hirehitra ny jironareo” dia nampiana Teny Filamatra hoe :“Miorena tsara amin’ny finoana” (IPet.5:9a) kosa mba hiatrehana ny 4 Taona manaraka.

 Ho tanterahina any amin’ny Synodamparitany Tsiroanomandidy (SP.34) ny Fihaonambe SAMPATI amin’ny taona 2021 izao izay efa ampiomanana antsika mialoha izany.

 Ho tanterahina any amin’ny Synodamparitany Fahazavan’Atsimo Andrefana (SP.36 MORONDAVA) ny Fihaonambe sy ny Zaikabe faha-9 ny taona 2023 ho avy izao.

 Nankatoavin’ ny Mpizaika ihany koa fa hivory isan-taona ny Komity Foibe SAMPATI,

 Misaotra ny Birao sy ny Komitin-Jobily Volafotsy fa tratra ny tanjona dia ny fahazoana Fiara ampiasaina ato amin’ny SAMPATI FOIBE. Ary dia mankasitraka ny rehetra koa izay nandray anjara tamin’izany, na izay nitonona anarana na ny mpanao tsy lazaina. Jesoa hamaly fitia anareo!

Eto am-pamaranana izao hafatra izao dia tsarovy hatrany fa ny “SAMPATI dia Hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Firenena”. Dia mampahery antsika mpikambana rehetra amin’ny asan’i Jesoa Kristy nomeny hotanterahintsika!

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV