Alarobia 16 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 15.1-21

Indreto misy hafatra manokana ho antsika

1-Tandremo fa misy fetrany ny fandeferan’ny Tompo

Hoy Izy :” ianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra , hoy i Jehovah ka dia hahinjitro koa ny tànako hamely anao , ka efa mandringana anao Aho , fa efa sasatra ny mandefitra “(and 6). Tena mandrakizay ny famindrampony” (Sal 136.1), saingy ny famaizana izay ambara eto koa dia anisan’ny famindrampony , ny fitiavany .

2-Mifikira amin’ny Tenin’ Andriamanitra

Hoy I Jeremia : “Hitako ny teninao ka nohaniko , ary  ny teninao  no fifaliako  sy firavoravoan’ny foko. Fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah Andriamanitr ny maro ô “(and16) ; Izany ihany no tokintsika kristiana . Izany no maha-sarobidy izao ezaka hamaky ny Baiboly manontolo ataontsika izao .

3-Mijoroa tsara ianao izay nantsoin’ny Tompo

Fieritreritra lalina izao teny izao .”Izao no lazian’I Jehovah : Raha hiverina ianao , dia horaisiko indray , ka dia hitsangana eo anatrehako ianao. Ary raha manavaka  ny zava-tsoa hiala aminn’y zava-poana ianao , dia  ho solom-bavako . Hanatona anao indray ireny , fa tsy ianao no hanatona azy . Ary hataoko manda varahina  mirona ho amin’ity firenena ity ianao. Hiady aminao izy , nefa tsy hahaleo anao , fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho , hoy I Jehovah” . Saino ny fanomezan-toky fonosin’izany sy ny fepetra handraisana azy kosa .

“Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV