Talata 15 Oktobra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 14.1-22
Lesona lehibe momba ny vavaka sy ny Tenin’ Andriamanitra no hitantsika eto.
1-Momba ny vavaka
Mirakitra tonombavaka fifonana fianatra ity toko ity . Hoy ny fivavak’ireo Israely nofaizin’ny Tompo: »Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay , miasà ihany ianao noho ny Anaranao, fa be ny fiodinanay , taminao no nanotanay » (and7).Ary koa: » Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay. Fa efa nanota taminao izahay. Noho ny Anaranao dia aza arianao izahay. Tsarovy , ka aza tsoahana ny fanekenao taminay » (and20-21). Moa tsy mbola vavaka fifonantsika koa ve izany?
Fa teny manaitra koa anefa ny hoe: »Dia hoy i Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hahasoa azy« (and11) . Hay ve ny Tompo mihitsy no mandrara tsy hivavaka e! Eny , mariky ny alahelo lalina sy ny fahatezerany mirehitra izany manoloana ny fifikirana amin’ny ratsy.
2-Momba ny Tenin’ Andriamanitra
Tsy izay rehetra mtory ny Tenin’ Andriamanitrahay dia marina . Fa tena misy ny tonga amin’ny lazain’ny Tompo hoe: »Tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy » (and14) Ahoana no hanavahana azy? Izay rehetra mitory fitahiana , nefa tsy mitaona antsika hibebaka dia mpamitaka !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6