Alatsinainy 14 Oktobra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 13.1-27
Fihetsika vaovao sy teny vaovao indray no eto:
1-Fihetsika ny amin’ilay fehikibo(and 1-11)
Mampanao fihetsika toy izao ny Tompo ho enti-mampita ny hafatra ampitondrainy ny mpaminaniny. Eto, ny fehikibo dia milaza ny fifamatoram-piainan’Israely amin’ny Tompo . Indrisy anefa fa noho ny fahotan’Israely dia rava izany . »Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny valahan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko , hoy i Jehovah , mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny » (and11). Ary ny fifandraisako amin’i Jesoa , mba manao ahoana?
2-Tandremo ny fiavonavonana
Ny fiavonavonana dia ny tsy fihainoana ny Tenin’ ny Tompo ka hanaovana bemarenina amin’izay lazainy , araka ilay hoe: « kanjo tsy nety nihaino izy « (and11). Ny fiavonavonana dia ny tsy fanomezana voninahitra ny Tompo , araka ny antso hoe: « manomeza voninahitra an’i Jehovah Andriamanitrareo » (and16) . Ny fiavonavonana dia hiteraka fahavoazana eo amin’ny fifandraisan’ny samy mpianakavy (and14) , hampitomany ny mpanompon’ Andriamanitra (and17), hampietry ny mpitondra fanjakana (and18-19) ary hahafa-baraka ny firenena (and 20-27) . Tandremo ny fiavonavonana fa toetran’i satana izany ( Ezek 28.1-2).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6