Alahadin’ny SAFIF 2019.

27 OKTOBRA 2019

FANDAHARANA IOMBONANA

Hira Faneva faha 50 taona Sekoly F.J.K.M.

Fiarahabana apostolika :

  • Rom. 1 : 7

Fiderana :

  • Sal. 108 : 1-5
  • Hira SaFiF 354
  • Vavaka

Sitrapon’Andriamanitra :

  • I Kor. 15 : 34 , 58
  • Sal. 119 : 1 , 2
  • Hira SaFiF243

Fiaiken-keloka :

  • Vavaka
  • Hira SaFiF 105

Famelan-keloka :

  • Rom. 3 : 21-26
  • Sal. 32 : 1 , 2
  • Hira 487 : 1 , 2 , 3

Fanekem-pinoana :

  • Apostolika

Raharahan’nyFiangonana :

  • Mpitantsoratry ny Fiangonana
  • Mpitandrina 

Rakitra :

  • Hira Antoko mpihira ,Seham-pitaizana
  • Vavaka

Tenin’Andriamanitra :

  • 5 mn-n’ ny SEKOLY ALAHADY
  • Hira SaFiF 86 : 1, 2 , 3
  • Vavaka
  • Vakiteny :
    • Amo. 3 : 1 – 8
    • Jao. 2: 18 – 22
    • Asa. 2 : 14 – 21
  • Hira SaFiF 326
  • Toriteny
  • Feon-java-maneno

Vavaka fangatahana : faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo

Asa sy Fampaherezana

Famaranana :

  • Hira SaFiF 121 : 1 , 2
  • Tsodrano : Nom. 6 : 24-26
  • Hira SaFiF 121 : 4

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

« Mifohaza tsara, miorena tsara, aza miova … mahefà be amin’ny asan’nyTompo »

(I Kor. 15/ 34a,58)

Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’nyTompo Jesoa. Io andinin-tSoratra Masina io indray no teny fanevantsika SaFiF mandritra ny efa-taona (2019-2023).

Isaorana ny Tompo fa tontosa soa amantsara ny Zaikabe faha- 12 izay nataontsika tany Antsirabe ny 10–15 Septambra 2019 lasa teo. Nahatonga solontena avokoa ny SP miisa 38. Nanatrika izany koa ny solontenan’ny Foibe FJKM.

Ankoatra ny fahavitan’ny fanavaozana ireo tompon’andraikitra hiasa mandritra ny efa-taona dia anisan’ny zava-dehibe ampitaina amintsika ireto zavatra manaraka ireto :

1°- Hisy ny Fihaonamben’ny Seham-pitaizana izay hatao any Mahajanga ny 9 – 11 Septambra 2020. Any ihany koa no homarihina ny faha 40 taonan’ny SaFiF izay iombonantsika rehetra.

2°- Homarihina ihany koa ny faha 20 taona maha Mpitandrina an’Atoa ROBSON RADO Lalaina Johary, Tonian’ny SaFiF ka ankoatra izay fanamarihana ataon’ny isan-tSynodamparitany dia ny fotoanan’ny Fifadian-kanina izay hataontsika ao amin’ny Palais de Sports amin’ny volana Jona 2020 no iombonantsika hisaorana an’Andriamanitra ny amin’izany.

3°- Ny ankoatra ireo dia hiezaka ny Komity Foibe solontenan’ny SP hampita amintsika ny dinidinika samihafa. Tsorina fa maro ny zava-kendrena mandritra ity taom-piasana ity koa mifampahery isika.

Araka izany dia anterina ny fisaorana ombam-pankasitrahana tamin’ny ezaka nataontsika ka nahazoana ny fiara vaovao hahazoana manatanteraka ny asa. Aza atao ambanin-javatra ny mifampivavaka sy mifanohana. Ny alahadin’ny Sampana Fifohazana tahaka izao no hanehoantsika fiombonana sy firaisan-kina ny amin’izany.

Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’Ilay Lohan’ny Mpiandry.

Ny Filoha     

RAKOTONDRAMANANA Arijaona  ,   Mpitandrina                                                               

Ny Tonia

ROBSON RADO Lalaina, Mpitandrina

                 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV