Perikopa Okt 2019

Fintina

Ny volana Oktobra 2019 no hiarahan’ny Fiangonana miaina ny lohahevitra hoe: “Maniria ny haminany”. Ny mpandalina ny Soratra Masina dia saiky niombon-kevitra fa ny maminany dia azo ambara koa hoe: “miteny” na “manambara”. Raha izany no izy, ny hoe: maniria ny haminany dia iantsoana ny Fiangonana mba haniry hiteny na hanambara hafatra amin’ny anaran’Andriamanitra. Izany tsy maintsy havoitra amin’ireo perikopa.

Raisina ho tari-dàlana ny voarakitry ny perikopa amin’ny Alahady roa voalohany.

Eksodosy 12, 15- 17.Andriamanitra no mampita ny teniny amin’i Mosesy, ilay nantsoiny nitondra ny vahoakany hiala ao amin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Raha raisina amin’izao vanim-potoana ankehitriny izany dia maneho fa ny Fiangonana dia itenenan’Andriamanitra mba hampita ny paikan-damina entin’Andrimanitra manafaka ny olony. Eto amin’ity peikopaity dia asain’Andriamanitra ampitain’i Mosesy amin’ny olona ny ho “fitandremana ny andron’ny mofo tsy misy masirasira”, mba ho fandraisan’andraikitry ny vahoaka amin’ny fanafahana azy.

Josoa 24, 19- 28 : Ity perikopa ity no manambara ny famaramparanan’i Josoa ny asany tamin’ny fitondrana ny Zanaky i Israely ho ao amin’ny tany nampanantenina. Maneho izany fa tsy manam-pahataperana ny fitondrana ny tenin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana. Hatramin’ny fotoana farany dia manambara ny tsy faneken’Andriamanitra hampirafesina amin’andriamani-kafa i Josoa. Miavaka ny mpaminany (mpitondra ny tenin’Andriamanitra eto, ka mampita ny hafatra amim-pahalemena ka manome safidy ny vahoaka na handray ny hafatra izy na tsia. Fa ny fanavaozam-paneken’ny vahoaka hanaiky sy hanompo an’Andriamanitra dia efa endriky ny fitondrana ny Tenin’ny Tompo Andriamanitra eo anoloan’ny fiaraha-monina.

Lioka 2, 21- 24 : Ampahatsiahivin’ny perikopa eto ny fanambarana nentin’ny Anjely tamin’i Maria fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Jesoa. Ny fahatanterahan’ny teny nambara no manamarina ny faminaniana (and.21). Noho izany, rahamaniry ny haminany ny Fiangonana dia ny fanatanterahany ny Tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainany no hanehoany izany. Ankoatry ny anjely, ny bokin’ny lalàna no mandray ny toeran’ny mpitondra ny Tenin’ny Tompo, koa raha maniry ny hitondra ny Tenin’ny Tompo ny Fiangonana dia tsy afaka misaraka amin’ny Soratra Masina izy.

Lioka 10, 38- 42 : Ny fisian’ny olona mihaino na itenenana no antom-pisian’ny mpitondra teny (mpaminany) . Izany no milafika amin’ny fanambarana fa i Maria no efa nifidy ny anjara tsara. Koa na rahoviana na aiza no misy olona afaka mihaino dia tsy maintsy miteny ny Fiangonana amin’ny maha Mpaminany azy.

Efesiana 4, 11- 16 : I Jesoa no fototry ny maha mpaminany ny mpaminany. Tsy mahazo mihevitra ny tenany ho lehibe na miavaka ny mpitondra ny Tenin’ny Tompo satria ao amin’i Jesoa dia misy fanompoana samihafa ankoatry ny faminaniana. Ny fifamenoan’ireo fanompoan’ny Fiangonana ireo no miantoka ny fahatanterahan’ny fanompoan’ny Fiangonana. Ny asa fampitana ny hafatra izay andraikitry ny mpaminany no hanamafy ny fiorenan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny finoana.

Asan’ny Apostoly 6, 1- 7 : Ny asan’ny mpitondra ny Tenin’Andriamanitra dia tsy azo afangaro amin’ny andraikitra hafa toy ny fitantanana ny asa sosialy izay tsy maintsy nifidianana olona hafa hiandraikitra izany. Fahombiazana no aterak’izany fahaiza-manavaka sy fanaovana ho lohalaharana ny asa maha mpitondra teny ka nandroso ny Fiangonana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Foibe JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV