Ifarihy F./ Fisotrondronono

Jobily fisotrondronono Mpampianatra

            Tontosa soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra, notanterahina tao amin’ny FJKM Ifarihy Famonjena, izay misy ny Mpitandrina Atoa RAKOTOARISONA Joseph, tamin’ny Alakamisy 26 Septambra 2019, nohon’ny faha-23 taona niasan-dRtoa RALINORO LALAHARISOA Voahangy teo amin’ny sehatry ny fanabeazana, tao amin’ny Sekoly FJKM Ifarihy Famonjena sy ny fitrotroana am-bavaka azy amin’izao fandehanany misotro ronono izao.

Tonga nanotrona azy ny ankohonany sy ireo mpianatra nobeaziny ary ireo Mpanabe niara-niasa taminy sy ny mpino kristiana Ifarihy, niampy ireo solontena avy tany amin’ny Sekoly FJKM isam-pitandremana manana izany. Tsy diso anjara, fa tonga ihany koa, nanotrona ny Foibe FJKM tamin’ny alalan’ny Mpiandraikitra Foibe roa, ny Birao SPAA11 niaraka tamin’ny solontenan’ny Fiangonana isam-pitandremana, ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazana tamin’ny alalan’ny CISCO, niampy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila niampy ireo namana sy tapaka nasaina.

            Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny fotoana ka nitarika ny Filoha Mpanampy SPAA11, RASOLOFOMANDIMBY Mamisoa Olivier, Mpitandrina. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Sekretera Jeneraly FJKM, RADIMISAON ANDRIAMASINJARA Jonah, Mpitandrina, nalainy tao amin’ny Isaia 41:10d , izay teny faneva rahateo.

            Tamin’ny fotoanan’ny asa vavolombelona dia nisy ny fandraisam-pitenenena nifandimbiasana sy fanolorana fankasitrahana tamin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana, ho an-dRtoa RALINORO LALAHARISOA Voahangy, nohon’ny fikelezany aina, tamin’ny lafiny fanabeazana, teo anivon’ny Sekoly FJKM Ifarihy Famonjena nandritry ny 23 taona ka andehanany misotro ronono ankehitriny.  Fiaraha-nisakafo sy fiaraha-naka sary ary fanapahana mofomamy sy fizarana izany ho fiombonan’ainan’ny rehetra, no namaranana ilay fotoana niavaka, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany ;

Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV