Alarobia 09 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 8.1-23

Mafy ny nahazo an’i Jeremia : »torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy . Misaona aho , ary horohoro no mahazo ahy« (and21), hoy izy . Eny , mafy ny mahita ny fahavoazan’ny fiangonana sy ny firenena vokatr’izao faharatsian’ny olona mitonona ho mpivavaka sy ny mponina. Ary mainka mafy izany rehefa miseho ireto zava-droa loha ireto:

1-Tsy mety manenina ny amin’ny ratsy ataony ny olona

« Ary tsy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: endrey izany nataoko izany . Izy rehetra dia samy mivily manakamin’ny alehany  » (and6). Heveriny ho zavatra mandeha ho azy , tsy mampaninona ny fiainana ratsy ivelomany . Raha lazainy amin’ny teny hafa , maty eritreritra izy. Jereo ny manodidina antsika, fa moa tsy zavatra toy izany ve no iainan’ny olona ? Ny gazety sy ny filazam-baovao milaza loza mahatsiravina sy maharikoriko indray izao no toa irohotan’ny olona sy mahaliana azy . Ianao ve mba hamerina ny ratsy natao?

2-Tsy miraharaha Tenin’ Andriamanitra ny olona

« Indro ny Tenin’i Jehovah dia nolaviny , ka inona intsony no fahendrena ananany ?  » (and9), hoy ny mpaminany . Ary izany tokoa ny Filazantsara dia milaza an’i Jesoa ho « Ilay teny tonga nofo «  (Jao 1.14). Ny fandavana ny Tenin’ Andriamanitra torian sy vakina , izay mitondra amin’ny fandavana an’i Jesoa dia tsy hitondra afa-tsy fahafatesana mahatsiravina . Hevero izany !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV