Talata 08 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 7.1-34

Teny fampieritreretana lalina ho antsika mpiditra am-piangonana no ataon’ny Mpaminany eto .

1-Tsy ampy mihitsy ny miditra am-piangonana

Hoy ny mpaminany :  » Aza matoky ny teny lainga hoe : Tempolin’i Jehovah , tempolin’i Jehovah , tempolin’i Jehovah ity » (and4) . Natokitoky foana Israely fa raha mbola eo ny tempoly ary mbola atao ny fanompoampivavahana ao dia eo ny Tompo ka tsy hisy akory faharavana sy fahababoana . Heverin’izy ireo ho trano sy fombafombam-pivavahana no hahavonjy azy .

2-Ny fitondrantena araka an’ Andriamanitra no ilaina .

Ahoana moa izany ? fitsarana marina , fitiavana ny vahiny , fitsinjovana ny kamboty sy ny mpitondrantena , tsy famonoana olona , tsy fanompoan-tsampy (and 5-6) . Fa tsy eken’ny Tompo ny hoe: « mbola avy miseho eo anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny Anarako ihany ianareo ka manao hoe: efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto (and10) « moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro ny tenako aza dia mahita izany , hoy i Jehovah (and11). « Fa izao kosa no nandidiako azy : henoy ny feoko . Dia ho Andriamanitrareo Aho , ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ny làlana rehetra nandidiako anareo mba hahitanareo soa » (and23). Halan’ny Tompo ny miditra am-piangonana nefa vetaveta fiaina. Saino lalina izany !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV