Alakamisy 03 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 2.1-18

Hitantsika eto ny fototry ny olana raketin’ny bokin’i Jeremia manontolo :

1-Niala tamin’ny fitiavany voalohany i Israely.

Hoy ny Tompo : « Tsaroako ny niraiketan’ny fonao tamiko …fony ianao vao nampakarina  » (and2) . Moa tsy henontsika amin’izany koa ve ny feon’i Jesoa miteny amintsika hoe:’Tsaroako ny fitiavanao fony ianao vao noraisina ho mpandray, ohatra? Ary izao , manao ahoana » ? Eto , ny fialan’i Israely dia tsy misy antony mari-pototra « . »Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana , ka dia tonga zava-poana koa izy? » (and5) , hoy ny Tompo . Satria ny nanasoa azy no hany nataony « nitondra anareo niditra ho any amin’ny tany mahavokatra Aho » (and 7) ,kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko. Mampalahelo!

2-Lasa nila vonjy tany amin’ny firenen-kafa izy

Manontany azy ny Tompo : » inona no anton’ny hankanesanao amin’ny làlana mankany Egypta ?Ary inona no anton’ny hankanesanao amin’ny làlana mankany Asyria? (and 18). Tsy misy antony tokony hihazakahana hila vonjy any. Ny fiverenany amin’ny Tompo no hany ilaina . Mampandini-tena antsika izany , rehefa miala amin’i Jesoa isika , ka banga ny toerany ao ami’ny fiainantsika , dia hitodika any amin’ny hery hafa sy olona hafa tsy hahavonjy isika.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV