Fisaorana ampitaina

ANDRIAMAMPIANINA Zaka H. M, Mpitandrina, BMF

rbt

Misaotra ny Tompo izahay fa novonjeny tao anatin’ny aretina mafy. Notanterahiny ny teniny, manasitrana ny aretina rehetra sy mamela ny heloka rehetra. Famindrampony sy fahasoavany ny antom-pahavelomana. 

Toloranay fisaorana eto koa ireto manaraka ireto : ny Foibe FJKM sy ny Sampana sy Fikambanana samihafa, ny Fanjakana malagasy, ny SP sy ny Fitandremana rehetra, ny fianakaviana sy olom-pantatra ary namana, ny FJKM any Frantsa sy ny FPMA ary ny namana rehetra monina any, ireo Mpitsabo teto an-toerana sy tany ivelany. 

Tsy irery mihitsy izahay tao anatin’ny fitsaboana, fa teo ianareo rehetra nampahery sy nanolo-tànana ary nivavaka ho anay.

Andriamanitry ny fahasoavana anie hanatobaka ny fahasoavany aminareo tsirairay avy. Tsy hanadino ny soa nataonareo ny Tompo fa matokia Azy. Misaotra tompoko. 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV