Zoma 16 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 6.1-20

Ao amin’i Kristy ary eto amin’izao tontolo izao.

Mety manana izay tsy fifankazahoany ny samy mpino. Zavatra iray tsy azo ekena kosa anefa ny hoe : miady eo anatrehan’ny tsy mpino. Natao hahay handamina ny tsy fitovian-keviny ny mpino satria ny soatoavin’ny fampihavanana ao amin’i Kristy no fenitra mifehy ny fiainany (and7). Mbola hitsara anjely aza izy .

Modely hay vakiana sy Epistily velona ho amin’izay eo ivelany mantsy izy . Ny tsy fahefany izany dia mandraraka an-tany ny antso izay niantsoan’ny Tompo azy (and 9-10).

Ny fahafahan’ny mpino ao amin’i Kristy

Olona afaka izay ao amin’i Kristy . Izany fahafahana izany anefa dia tsy natao hoentina amin’ny fanaranan’ny nofo mba hanomezam-boninahitra ny ota sy ny fahotana. Efa an’i Kristy ny momba ny tenantsika (and15). Natao hankalazana an’ Andriamanitra izy fa tsy natao ho amin’ny fanarahana ho amin’ny ota intsony (and20) .Ts tompon’ny tenantsika intsony isika (and19). Ny Fanahin’i Kristy no efa nanisy tombokase amin’ny maha- efa olom-boavidy antsika . Ny fahafahan’ny mpino izany dia voafaritra ao amin’i Kristy irery ihany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV