Orphelinat/Akany Fialofana

Fitaizana zaza kamboty

AKANY FIALOFANA TANGAINA

Mankalaza ny faha-60 taona nijoroany

« … ary ny zanany hahazo fialofana »Ohabolana14 : 26b.

Izany no teny manentana ny fitaizana zaza kamboty sy sahirana ao amin’ny AKAny FIalofana TAngaina na AKAFITA.

Ny 24 Aogositra 1958 no niorina ny AKAFITA. Ny Fikambanana Protestanta Mpanao Asa Soa avy ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina no tompon-kevitra tamin’izany; notarihin’ny Mpitandrina RAJAOBELINA Felix, RAKOTO Fostin Rafael, RAKOTOVAO Joanesa sy ny namany hafa.

Nandray ankizy kamboty sy/na sahirana ara-pivelomana ny Akany ka niezaka ny hanome fialofana ho azy ireny. Hatramin’izay nijoroany dia efa mihoatra ny 300 ny zaza nandalo tao amin’ny AKAFITA. Amin’ity taona ity dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 60 taona nijoroany ny AKAFITA sy ny Fikambanana Protestanta mpanao asa soa. Nentina nanamarihana izany dia nisy fotodrafitrasa  samihafa efa notokanana teny Antsimombohitra Tangaina ny Sabotsy 21 Avril 2018 lasa teo: trano fanaovana fanompoam-pivavahana, toerana fanaovana tsipy kanety be sy kanety be vaovao, famitana ho simenitra ny tokotany rehetra, fanampiana tariby( barbelet) ny tamboho rehetra, fandokoana ny trano lehibe birao sy fonenan’ny tale sy mpandraharaha, fizarana baiboly isan’ankizy, solosaina iray vaovao sy “video projecteur”. Izany rehetra izany dia fiaraha-miasa tamin’ireo tsara sitrapo sy mpanohana ny Akany.

Ny Alahady 24 Jona 2018 lasa teo kosa no ivon’ny fankalazana ka fanompoam-pivavahana  no nanamarihana izany tao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina.

Izay tena nanamarika ity taona ity koa ho an’ny AKAFITA dia ny fanolorana azy ho eo ambany fiahian’ny FJKM. Ny Mpiandraikitra Foibe nivory ny faran’ny volana Avrily  lasa teo no nankato izany sy nanendry ny Tale vaovao dia Rtoa RASOARIVELO Beby Hasina. Noho izany fiovam-pitantanana izany dia ao anaty fandaminana tanteraka ny fiainan’ny Akany ny Tale sy ny Komity Mpitantana vaovao ankehitriny ary tena mila ny fanohanan’ny Fiangonana sy ny Sampana ary ny Sampan’Asa indrindra moa ny kristiana tsirairay sy ny fikambanana kristana samihafa.

Raha te hanoina ny antson’izy ireo isika dia antsoy ny 034 99 060 02/ 034 01 128 07.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV