Hafatry ny Filoha / Aog. 2019
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Aza kivy velively
N’ino-n’inona midona.
Fa tena mety hahakivy
Ny hasarotry ny asa,
Na ireo fakam-panahy
Eny an-dalana ombana.
Eny, mety hahakivy
Ny fahitana indraindray
Fa ny ezaka natao
Toa tsy nahitana voa
Araka ny nantenaina.
Eny, mety hahakivy
Ny mahita fa ireo
Mpiara-miasa nantenaina
Hay nandao fa tsy nitozo.
Eny, mety hahakivy
Fa ny olo-nantenaina
Ho sakaiza mahatoky
Hay tsy azo nitokiana.
Izany rehetrarehetra izany
Mety hanafotra ny saina
Sy ny herim-po anaty;
saingy mahereza ihany
fa ny Tompo no mibaiko,
ka ny fankatoavana Azy
no hery izay manainga antsika
mba hitozo lalandava.
Ary izao tsarovy koa:
Mibaiko izy sady momba!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM