Alakamisy 08 Aogositra 2019.
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 16.17-27
Nahasaro-piaro an’i Paoly ny firaisam-panahy nisy teo amin’ny Fiangonana tao Roma.
Ny fahavalon’ny fiombonam-panahy
Natao ho tandremana izay mety hahatonga fahatafitohinana sy fisarahana eo amin’ny fiainam-piangonana . Aro fenitra ho amin’izany ny foto-pampianarana natolotr’i Paoly . Ity farany tokoa mantsy no refy sy masontsivana amin’izay mety ho fampianaran-diso (and17).Mety ho tafiditry ny mpino fatra-pitia ny haren’ny tany ny Fiangonana . Raha tsy mailo dia mety ho voataonany ho amin’ny filàny tsotra izao (and18-19).
Tsodrano sy tenim-pahasoavana ifanolorana
Toe-panahy tena tafapetraka teo amin’ny Fiangonana tany am-piandohana ny tenim-pahasoavana sy tsodrano omena izay hanoratana na hiresahana (and 20b, 25-27) . Tsy hoe famaranan-teny fotsiny fa sehatra hametrahana ny hafa ho eo ambany tàna-maherin’ Ilay Tsitoha. Hasikasinina aminn’y teny farany ny fahalehibiazana sy ny fahatsaran’Ilay Ray . Haseho fa miorina eo ambonin’ny Voninahiny ny resaka teo ambony rehetra teo (and 25-27).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8