Talata 06 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 15.14-33

Famporisihana avy amin’ny Fanahy Masina ny fampahatsiahivana ny hafa hanamafy izay efa nijoroany (and 14-15) .

Manomana izay hitoriana ny teny ho fanatitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitra ny mpitory . Ny Filazantsara dia manamasina izay mandray azy . Mandrantsana ny sampana malazo amin’ny mpihaino izy. Mampitafy azy ny fitafiam-panahy ho vonona amin’ny asa tsara rehetra . Tonga fanaka fitondra ny Voninahitr’ Andriamanitra izy . Eny , tonga fanatitra velona ankasitrahana ho amin’ny fanompoampivavahana atolotra ho an’ny Ray (and 16 ) .

Tsy afa-misaraka amin’ny fifanompoana ara-nofo ny fiomboam-panahy .

Raha ny firaisam-panahy nisy teo amin’ny kristiana tany Jerosalema sy ny any Makedonia ary Akaia no jerena . Toy izay koa izay nisy teo amin’i Paoly sy ny Romana dia azo ambara fa tena adidin’izay miray zava-panahy ny mifanohana am-bavaka sy amin’ny zavatra rehetra (and 25-30) . jereo àry izay miombom-panahy sy manompo an’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonanao . Tohano izy araka izay vita.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV