Radio Fahazav. sy Belgique

AFIFAB sy FIARAHA-MIASA

TSY IRERY AMIN’NY FANATSARANA NY FITAOVANA ILAINY

Tsy misy mahavita tena ny olombelona fa indrindra ny Sampandraharahan-tserasera izay mikatsaka ny hanome ny tsara indrindra ho an’ny vahoaka mihaino sy manaraka azy. Anisan’izany ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao eto amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara Foibe izay manana fifandraisana amin’ireo fikambanana miara-miombonantoka aminy manerana izao tontolo izao. Tamin’ny Talata 16 Jolay 2019 tontolo andro no nandraisan’ny AFIFAB ny Fikambanana AVEC (Attendre – Voir-Ecouter-Comprendre) izay misy ilay sampandraharaha antsoina hoe « Ami de la Radio Fahazavana » ao amin’ny Eglise Reformée de Charles Roi any Belzika. Tsy vao izao izy ireo no tonga eto amintsika fa efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa. Tonga eto an-toerana ry zareo ireto, misy roa ambin’ny folo mianaka mianadahy, hanamafy ny fiaraha-miasa sy hitondra fampitaovana toy ny fakan-tsary, ny fitaovana fandraisam-peo, ny microphone, ny  solosaina tena raitra, ny finday sy ny sisa. Izao fahatongavan’izy ireo eto amintsika izao no manamarika ny fahamatoran’ny fifandraisana izay naharitra sivy taona izao.

Ity fikambanana Belza ity moa dia manohana ny Radio Fahazavana amin’ny fampandehanana ho ren’izao tontolo izao ny Fandaharana rehetra alefantsika ao amin’ny Radio Fahazavana, na ilay antsoina hoe Radio Fahazavana on line. Amin’ny alalan’io fanampiana ataon’izy ireo io izany no ahafahan’ny Mpino FJKM maneran-tany manaraka ny fandaharan’ny Radio Fahazavana andro aman’alina.

Tsara ihany koa ny mampahafantatra antsika fa manohana ny Akany Topaza eny Ambohipotsy sy Akany fitaizana zaza kamboty eny Tangaina ry zareo ireto. Nandritra izany fandalovany eto amintsika izany dia nanararaotra nitsidika sy nampahery ireo mpitantana ao amin’ireo Akany ireo izy. Ny tetsy amin’ny Topaza Ambohipotsy moa dia nisikina nandoko ny Akany mihitsy izy ireo. Nisy ihany koa ny dinikasa niarahany tamin’ireo Tomponandraikitra isan-tokony ao amin’ny Foibe FJKM.

Ny ho avin’izao fiaraha-miasa izao izany dia ny hananganana ato ho ato ny Fikambanana atao hoe « Sakaizan’ny Radio Fahazavana manerantany » izay hiombonan’ireo mpanohana ny radio miely any ampitan-dranomasina rehetra any. Ry zareo ireto izany no anisan’ny mpikambana voalohany ao anatin’ny Sakaiza. Manantena isika fa haharitra tokoa izao fiaraha-miasa izao ho voninahitr’Andriamanitra ka hampandroso ny asa izay nanirahany antsika.

Ny asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao ary dia mandray an-tanandroa ny olona sy ny fikambanana rehetra izay maniry hiara-miasa aminy satria asa hifanomezana tanana izy ity ka tsy vita tsy hifanakonana.

RAM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV