Ny Synoda lehibe(fdl sy ftsip)

FOTO-DALANA SY FITSIPIKA

            Amin’ny taona 2020, ny volana aogositra, 12 ka hatramin’ny faha 19 no hotanterahina any Sambava, SP Faritany voalohany Antseranana ny Synoda lehibe faha XIX. Koa indro atolotra miandalana eto amin’ity andian-dahatsoratra ity ny tsara ho fantatra momba izany. Eto am-panombohana, indro itanisana ny famaritana sy ny mpandray anjara ary ny andraikitry ny Synoda Lehibe.

Ny Famaritana: Ny Foto-dalana and. 21 dia mamaritra ny Synoda lehibe arak’izao: “Ny Synoda Lehibe izay Ambaratongan-drafitra ambony indrindra ao amin’ny FJKM dia fivoriamben’ny Synodam-paritany rehetra ao amin’ny FJKM miampy ireo izay voafaritry ny Fitsipika”.

Manantitra io andininy etsy ambony io ny famaritan’ny Fitsipiky ny FJKM And. 231: “Ny Synoda Lehibe no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra ary ny Fivoriany no Ambaratongam-pitondrana ambony indrindra ato amin’ny FJKM”.

Ny mpandray anjara: Fa ireto tanisaina manaraka ireto kosa ireo olona sy sokajin’olona voalazan’ny Fitsipika manatrika ity fivorian’ny Ambaratongam-pitondran’ny Synoda Lehibe ity, araka ny And. 232 hoe: “Ny Fivorian’ny Synoda Lehibe dia fivorian’ny :

  • Solontenan’ny Synodamparitany rehetra ao amin’ny FJKM,
  • Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe amperin’asa,
  • Sekretera Jeneraly sy ny Tonian’ny Departemanta,
  • Solontenan’ny Sampana, Sampanasa, Asa mbamin’ny Komity sy Vaomiera ao amin’ny Foiben’ny FJKM,
  • Ireo Vahiny nasaina”.

Ny Andraikiny: Andinin-dalana roa no mamaritra ny andraikiny, ka tanisaina eto:

Ny Fotodalana And. 3 dia manambara fa: “Ny Synoda Lehibe no mamaritra ny fotokevi-dehibe amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary tanterahin’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana ao amin’ny faritra misy azy”

Ny Fitsipika And. 22 dia mitanisa andraikitra miisa valo: “Ireto avy no andraikitry ny Synoda Lehibe :

  • Manambara ny finoana iraisan’ny FJKM amin’ny alàlan’ny Fanekem-Pinoana, ny fanompoam-pivavahana manaraka ny Litorjia, ny Katekisma, ny fampianarana, ny fitaizana, ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra ary ny fitantanana ny Sakramenta,
  • Mampiray hina ny Synodamparitany rehetra ao amin’ny fotokevitra lehibe momba ny asa sy fitondram-piangonana,
  • Mifidy ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Filohan’ny FJKM ary mankato ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe,
  • Mandray ny fanapahan-kevitra momba ny fifandraisana sy fifampiraharahana amin’ny Fiangonana hafa sy ny Vondrom-Piangonana ary Fikambanana hafa eto an-toerana sy any ivelany araka ny tatitra ataon’ny Mpiandraikitra Foibe.
  • Mandinika sy manapaka ny soridalana ankapobeny momba ny tetibola,
  • Mandray sy mandinika ary manapa-kevitra ny amin’ny tatitra atolotry ny Mpiandraikitra Foibe, manoritra ny asa tokony hotanterahin’ny FJKM araka ny laharam-pahamehana,
  • Manapaka ny fanovana rehetra atao amin’ny « Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM »,
  • Manapa-kevitra amin’ny fananganana Sampana sy Sampanasa ary Asa ka mamaritra ny fotokevi-baventy ijoroany”.

Dieny izao, ry Fiangonana, manàna fotoana hanaovana vavaka fangatahana amin’Andriamanitra mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra io fivoriana io.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV