Alahady 21 Jolay 2019.
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 8.1-11
Izay ao amin’i Kristy dia nohamarininy sy navotany maimaimpoana . Ny fandavana ny famonjena atolony kosa dia mitondra fahaverezana ho an’izay mandà.
Manamarina sy manavotra izay mino Azy i Kristy
Ny finoana ny asam-pamonjen’i Kristy no manafaka antsika amin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana . Tsy efan’ny nahim-po fotsiny mantsy ny manohitra ny ratsy izay manapaka ny nofontsika (and5a,6a). Nohelohin’i Kristy tao amin’ny tenany tamin’ny tsy nanotany mihitsy ny ota(and3) .
Velona araka ny Fanahy
Angataho ny fahafenoan’ny Fanahy Masina . Avelao hanapaka ny tenanao ny Fanahin’ Andriamanitra (and10). Aza avela hibaiko ny fiainanao ny fitaoman’ny nofo. Ny filan’ny nofo dia natao handosirana fa tsy natao ho toherina (2 Tim 2.22a).
Santarina dieny izao sahady izany famonjen’i Kristy izany. Eny , fa na dia maty aza ny tena noho ny ota , manantena kosa isika fa fiainana mandrakizay ho an’izay velon’ny Fanahy (and 11) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8