Alakamisy 18 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 6.15-23

Tsy maintsy mahatsapa fiovana eo amin’ny fiainantsika taloha sy ankehitriny isika , rehefa nanolo-tena hiara-maty tamin’i Jesoa Kristy .

1-Ny lasantsika

Nanolotena ho mpanompon’ny fahotana (and 16-17,19.20) . Safidy ny maha- mpanompon’ny fahotana araka ireo and ireo , tsy misy ota afaka ny hangeja antsika raha tsy isika aloha no nanolotena ho azy .

Nirona tamin’ny fahafatesana (and 16.21,23)

Ao amin’ny Baiboly DIEM dia izao no andikany ny vokatry ny fahotana amin’io and16 io :  » ny fahotana izay mampirona amin’ny fahafatesana dia ny fisarahana amin’ Andriamanitra .

2-Ny ankehitrinintsika

Tonga mpanompon’ Andriamanitra (and16-17.22)

Iharan’ny asa nataon’ Andriamanitra isika , dia tonga mpanompony. Hoy ny and 22 « Ankehitriny anefa , natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’ Andriamanitra « .

Mirona amin’ny fahamarinana, fahamasinana, fahavelomana mandrakizay (and18-19.23)

Ireo no vokatra azo ankehitriny noho ny fanompoana ny Tompo . Ary miara-dàlana amin’izany koa ny fahatsapana hoe: ratsy sy mahamenatra hay ireo ota vita teo aloha (and21). Mampieritreritra ihany ny kristiana tsy mahatsapa io fiovana io (Eze 20.42).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV