Alatsinainy 15 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 5.1-11

Mibanjina ny ankehitriny vao afaka mitodika ny lasa . Io no teny azo hamintinana ity perikopa ity .

1-Ny ankehitriny : ireo vokatry ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika (and1-5)

Ny vokatry ny fahazoana fanamarinana no tanisaina lavabe manomboka amin’ny and 2 . Ireto avy izany :

-Vita fihavanana amin’ Andriamanitra isika (and 1b)

-Afaka manatona ilay fahasoavana (and 2) maha-zanak’ Andriamanitra antsika isika (Rom 3.24)

-Afaka mirehareha na dia amin’ny fahoriana aza isika (and 3)

-Manana faharetana isika (and 3-4)

-Manana toetra voasedra isika (and 4-5)

-Manana fanantenana isika (and 4-5)

-Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika (and5)

2-Ny lasa: ireo porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika (and 6-11)

Efa voapetraky ny Fanahy Masina ao am-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra araka ny and 5. Mila porofo anefa izany , ka hoy ny and 8 DIEM : « Fa Kristy kosa maty hamonjy antsika , fony isika mbola mpanota , nahariharin’ Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika  » . Ny fahafoizan’ Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa Kristy ho faty , handatsaka ny Rany ho famonjena antsika no porofo fa tia antsika Izy . Ary « fony isika mbola mpanota » no nanaovany izany , hanehoana fa fitiavana mahagaga izany : tia ny tsy mendrika hotiavina .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanittra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV