Alahady 14 Jolay 2019.
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 4.13-25
Tsy ny fanamarinana ihany no azo vokatry ny finoana fa hahazona fampanantenana koa izy .
1-Fampanantenana noho ny finoana fa tsy vokatry ny lalàna (and13-16)
Teny fikasana koa no andikana ny hoe: fampanantenana . Zavatra roa no nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama fa homena azy dia ny lova sy taranaka. Ny lova dia ny tany Kanana . Ny taranaka kosa dia zanaka naloaky ny kibony handimby azy . Tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna no hahazoana ireo zavatra ireo , fa ny finoana . miverina indroa izany hevitra izany , eo amin’ny and 13 sy ny and 16 . Ny finoana araka ireo and ireo no fepetra fototra hahazoana mandova .
2-Fampanantenana ao amin’izay tsy misy antenaina intsony (and17-25)
Fantatsika fa antitra tsy nampoizina hiteraka intsony i Abrahama sy i Saraha vao nampanantenain’ Andriamanitra fa mbola hiteraka indray . Izany no ataontsika hoe: fampanantenana avy amin’izay tsy misy antenaina intsony . Raha ny maha- olombelona dia mampihimehy tokoa izany hoe :mpivady efa ho 100taona no mbola hiteraka . Nino izany anefa i Abrahama.
Fa hoy ny and 20-21 hoe: « ary tsy nihanahana ny amin’ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ny tsy -finoana izy , fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa ».
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8