Zoma 12 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 3.19-31

Aseho amintsika eto ny fifandraisan’ny lalàna sy ny famonjena na ny fanamarinana.

1-Tsy nataon’ Andriamanitra hahazoana famonjena ny fitandremana ny lalàna (and19-20)

Tsy fitaovana entin’ Andriamanitra hitsara antsika ny lalàna , fa fitaovana natao handrefesantsika ny maha- mpanota antsika. Mazava ny voalazany ao amin’ny and 20 DIEM « Koa tsy misy olombelona ho eken’ Andriamanitra ho marina , noho izy manatanteraka ny lalàna , fa ny lalàna dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe: nanota izy » .

2-Ny fomba hanamarinan’ Andriamanitra antsika (and21-31)

Telo ny zavatra hanamarinan’ Andriamanitra ny olna na hamonjeny azy

-Ny fiaikeny ny maha-mpanota no hahazoana fanamarinana (and 23)

-Ny nataon’i Jesoa Kristy no nahazoantsika fanamarinana (and21-26) »fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’ Andriamanitra ny olombelona ho marina » (and22 ) DIEM

-Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no hanamarinan’ny Tompo antsika (and27-31). Tsy ny olona mitandrina ny lalàna no mahazo fanamarinana fa izay manana finoana (and28) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV