Talata 09 Jolay 2019.

Fandalinana ny ROMANA

Romana 2.1-16

Marina ny fitsaran’ Andriamanitra (and2.5,11,16) ka

1- Tsy mila antsika hanampy Azy hitsara ny hafa Izy (and1-3)

Tsy azontsika olombelona atao ny mifampitsara satria : mahaleotena amin’ny fitsarana ataony Andriamanitra, ary tsy mahazo mifampitsara isika , satria samy mpanota (and1-2) .

2-Mitaona antsika hibebaka Izy (and4-5)

Ambaran’ny and 4 ny maha- Izy Azy an’ Andriamanitra : manankarena amin’ny fahamoram-panahy sy ny fandeferana ary ny faharipo . Izany no mitaky fibebahana avy amintsika olombelona. Matoa tezitra Izy , dia tsy noho ny fahotantsika loatra , fa noho isika tsy nibebaka(and5) .

3-Tsy mizaha tavan’olona Izy (and 6-11)

Fiainana mandrakizay (and7) , voninahitra sy laza ary fiadanana (and10) : ireo no anjara ho an’ny olona manao ny soa sy tsara na iza na iza . Fahavinirana sy fahatezerana , fahoriana ary fahantrana (and8-9) kosa no anjaran’ny olona mitady ny ho an’ny tenany ihany ka tsy manaraka ny marina na iza izy na iza (and11).

4-Mitaona antsika hankato ny sitrapony Izy (and12-16)

Tsy izay manana ny lalàna ao amin’ny fieritreretany ( Jentilisa) na voasoratra ( Jiosy ) no sitrak’ Andriamanitra fa izay manatanteraka ny sitrapony (and13).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV