SLK /SP 11

KOMITY LEHIBE SY FIFIDIANANA BIRAO VAOVAO

« Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, …  Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo] » (2 Korintiana 3:12- 18)

Notanterahina teny amin’ny FJKM Fonenana Masina Fihavaozana Anosizato Andrefana ny Sabotsy 08 Jona 2019, ny Komity Lehibe narahana fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Birao izay hiasa ao anatin’ny efa-taona ho avy. Marihina fa nisy ny fotoam-pivavahana feno notanterahana tao anatin’’izany fihaonan’ny solontenan’ny SLK isam-pitandremana ao anatin’ny Synodamparitany izay ahitana Fitandremana 80 izany, ka ireo mpikambana tao amin’ny birao teo aloha no nisahana feno ny fitarihana sy ny Toriteny ary ny vavaka niaraka tamin’ny famakiana ny Soratra Masina izay mofonaina tamin’io andro Sabotsy io, ka efa voasoratra eny ampiandohana. Nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’izany Atoa RASOLONDRAZAFINJATO Harilaza ary nitondra ny hafatr’Andriamanitra Atoa VATARA Charles Pacôme, Mpitandrina, ary ny Soratra Masina, mofonaina efa voasoratra eny ambony, no nankany hafatra nentiny nampitomboana ny Finoan’ireo lehilahy maro tonga nivory.

            Nitarika ny komitim-pifidianana taorian’ny fotoam-pivavahana ny Prezida Synodaly SPAA11, RABELISON H. Manassé, Mpitandrina ary nandray ny raki-tsoratra Atoa RANDRIANANTENAINA René Lala, SLK FJKM Mahitsy Fehizoro.

Toy izao ny vokam-pifidianana :

IREO BIRAO :

  • Filoha : Atoa RASOLONDRAZAFINJATO Harilaza (FJKM Ambohimiarina Jerosalema)
  • Filoha Mpanampy : Atoa VATARA CHARLES Pacôme, Mpitandrina (FJKM Ambatolokanga)
  • Mpitahiry vola ; Atoa RANDRIANOMENJANAHARY MAMY Gaston (FJKM Tangaina Fanantenana)
  • Mpitantsoratra Fivoriana : Atoa RASOLOARISON Andriantianarivo, Mpitandrina (FJKM Antsahadita)
  • Mpitantsoratra Vola : Atoa RAKOTONDRASOA MAMY (FJKM Tanjombato Maritiora)
  • Mpanolontsaina :
  • Atoa RAHARISON LALA Aristide, Mpitandrina (FJKM Fiadanana Atsimo)
  • Atoa RANDRIAMBOAVONJY Solonantenaina (FJKM Miadanarivo)

IREO MPANDINIMBOLA :

  • Atoa RAZANAJATOVO Andriamaromisa, Mpitandrina (FJKM Ambohimangidy Fiadanana)
  • Atoa RASOLONJATOVO Lantoniaina (FJKM Tsarahonenana Imerintsiatosika)
  • Atoa ANDRIAMORASATA Solofo (FJKM Antanety Fitiavana)

Marihina fa tonga niatrika hatramin’ny farany izao fotoam-panavaozana ny Birao SLK-SPAA11 tao amin’ny FJKM Fonenana Masina Fihavaozana Anosizato Andrefana izao, ny Tonia SLK FOIBE, RAKOTONDRAZAKA Volatantely Fanantenana.

Fiaraha-nisakafo ho an’ny rehetra no namaranana ny fotoan’ny SLK-SPAA11 tamin’io andro Sabotsy io.

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV