I. F.Rainandriamampandry

40 taona / Institut FJKM Rainandriamampandry

Tonga eo amin´ny fotoana hamaranana ny fankalazana an´Andriamanitra noho ny faha-40 taona nanabeazana teo amin´ny IFR ny Fiangonana. Hakatona ny Alahady 27 Oktobra 2019 izao tokoa mantsy ny taom-pankalazana, ary hotokanana amin´io fotoana io ihany koa, raha sitrapon´Andriamanitra, ny tsangambato nentina nanamarika izany fotoan-dehibe izany.

LABORATOIRE INFORMATIQUE ET SCIENTIFIQUE

Diboky ny hafaliana ny mpianakavin´ny Sekoly, ny Tale sy ny mpiara-miasa aminy, fa indrindra ny Ray aman-dreny sy ny mpianatra izay hisitraka mivantana izany tsangam-bato izany : laboratoara informatika vaovao, laboratoara siantifika, toeram-pizaham-pahasalamana sy fitsaboana nify ho an´ny mpiasa sy ny mpampianatra. Samy hosantarina manomboka ny taom-pianarana vaovao avokoa ireo afa-tsy ny fitsaboana ny nify izay miandry aoriana kely.

Isaorantsika Andriamanitra noho ny harem-pahasoavana atolony isan´andro ho an´ny fiangonany, Isaoranay ianareo mpianakavin´ny finoana, tia ny asan´Andriamanitra ary koa tia ny Sekoly, nifanome tànana nandritra ny fotoam-pankalazana. Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho Voninahitry ny anarany (Heb 6: 10a).

Eto am-pamaranana dia tianay ny mampandre ny rehetra fa efa nisokatra ny Alatsinainy 1 jolay 2019 teo ny fandraisana mpianatra vaovao ho an´ny taom-pianarana 2019-2020, ary hikatona izany rehefa feno ny toerana izay mitsinjara toy izao ho an´ny mpianatra vaovao:

Kilasy / toerana

6eme / 40

5eme / 10

4eme / 15

3eme / 15

2nde / 30

1ere L / 10

1ereS / 10

Tle L /20

Tle S/ 15

2nde G2&3 20

1ere G2&3 7

Tle G2&3 10

Fampitam-baovao avy amin´ny sekoly IFR

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV