Antso ho TONIA STK

FILATSAHANA HO  TONIA STK FOIBE

Ny Birao STK Foibe FJKM dia manao izao antso izao ho an’izay maniry sy manam-pikasana ny hirotsaka ho Tonian’ny Sampana Tanora Kristiana ho amin’ny taom-piasana 2020 – 2023. Ny fifidianana dia atao amin’ny fivorian’ny ZAIKABE faha 14 any Fianarantsoa ny volana Oktobra ho avy izao.Toy izao ny fepetra ho amin’ny filatsahana ho Tonian’ny STK araka ny voalazan’ny Fitsipika anatiny, STK FJKM

            Ny olona milatsaka ho fidina Tonian’ny STK dia lehilahy na vehivavy Mpitandrina na tsy Mpitandrina ka tsy hihoatra ny 50 taona amin’ny fotoam-pifidianana ary mahafeno ireto fepetra ireto:

  1. Raha Mpitandrina :
  2. Nivoaka tamin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina FJKM (Kolejy na Faculté);
  3. Nitondra Fiangonana nandritry ny dimy (05) taona raha kely indrindra, ary efa voatokana;
  4. Mahafehy tsara ny Tenim-pirenena vahiny iray farafahakeliny;
  5. Salama vatana sy saina
  6. Atolotry ny STK Synodamparitany sy ny Synodamparitany Reniny.
  7. Raha tsy Mpitandrina :
  8. Manana marim-pahaizana Baccalauréat raha kely indrindra;
  9. Tomponandraikitra STK FJKM nandritry ny efatra taona (taom-piasana iray) raha kely indrindra ary mahafantatra tsara ny rafitra FJKM;
  10. Salama vatana sy saina ary fanahy;
  11. Mahafehy tsara ny tenim-pirenena vahiny iray fara-fahakeliny;
  12. Raha manam-bady dia misy ny faneken’ny vady;
  13. Atolotry ny Fitandremana misy azy.

Koa ny taratasy rehetra izay voalaza etsy  ambony dia ampiarahina amin’ny taratasy momba anao misy sary (CV) dia aterina mivantana aty amin’ny Varavarana 511 Foibe FJKM Analakely na alefa paositra amin’ny anaran’Andriamatoa ANDRIAMALALA Solomon Jean Denis,Mpitandrina Filoha STK Foibe FJKM, BP 623 Analakely ; farafahatarany ny 30 Septambra 2019.

 Manao veloma amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

Amin’ny anaran’ny Birao STK Foibe

                     Ny Filoha                                                               Ny Mpitantsoratra

ANDRIAMALALA Solomon, Mpitandrina             HERITIANA Antonélie Elisah

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV