Perikopa Jolay 2019.
Manatrika ny mino ny Tompo
Misasaka ny taona, mandia ny volana fahafito ny Fiangonana, mibanjina ny lohahevitra hoe: “Manatrika ny mino ny Tompo” isika. Koa indro aseho amin’ity fafana ity ny hevi-dehibe tsy azo dinganina raha handinika ny Perikopa voalahatra araka ny Testamenta Taloha amin’izao volana izao isika.
Eksodosy 33, 7- 11 | Zakaria 8, 1- 8 | 2 Tantara 6, 1- 6 | Salamo 68, 7- 14 | |
Ny toerana ifanatrehan’ny mino amin’Andriamanitra | “Trano lay fihaonana”: toerana natokan’ny olona (ohatra:IMosesy) hihaonana amin’Andriamanitra (and.7) | I Ziona na Jerosalema, ivo-toeran’ny fivavahana Jiosy. Toerana itoeran’ny fahamarinana sy ny fahamasinana (and.3) | Toerana natokan’ny olona (ohatra: Solomona) (and. 2) | Eny an-dalana: mialoha lalana ny olona eny am-pandehanany (and. 7) |
Ny endrika isehoan’ny fihaonan’ny minoamin’ny Tompo | Midina ny andri-rahona. (and. 10) Tandindon’ny fidinan’ny Fanahy Masina | Miainga avy amin’ny fanatonan’ny Tompo ny olona ny fihaonana. Andriamanitra no manao ny dingana. | Miampita amin’ny taranaka mandimby ny Tenin’Adriamanitra,dia amin’ireo taranaka mandimby (and.4- 5) | Miseho amin’ny heriny Andriamanitra (and.8) Fiarahana mandeha amin’ny olony Izy. |
Votoatin’ny fihaonana | Fihaonan’ny Mpisakaiza (and.11) | Fampanantenana ataon’Andriamanitra momba ny famonjena: Taranaka tsy ritra (and. 4- 5), famonjena (and. 7), famerenana ny fanekena (and.8) | Fanamafisana ny fifidianan’Andriamanitra ny olona ho olony sy ny fanomezany mpitondra mifandimby (and. 5- 6) | Firotsaham-pitahiana mamelona ny olona (and. 9) Fanamafisan-toerana eo amin’izay misy azy (and. 10) Fandresena sy fanavotana (and. 11- 14) |
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
Foibe JKM