Alah’ny S. Tanora Kristiana

FANDAHARANA

( LITORJIA ENDRINY FAHAROA )

Fidirana :

  • Hira Fanevan’ny faha-45 taonan’ny S.T.K. – F.J.K.M.

LITORJIAN’NY FANOKAFANA :

Fiarahabana apostolika :

  • Efe. 1 : 2

Fiderana :

  • Sal. 124
  • Hira 236 : 1, 2, 4
  • Vavaka

Feon-javamaneno fohy

LITORJIAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Tenin’Andriamanitra :

  • Hira Sekoly Alahady
  • Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora
  • Hira 226
  • Vavaka
  • Vakiteny :
    • Zak.   8  :   1 –   8
    • Mat. 18  : 18 –  20
    • Efe.    1 :    1 – 14
  • Hira 163 : 3
  • Toriteny na Toriteny an-kira ataon’ny S.T.K.
  • Hira S.T.K.

Vavaka fangatahana :

Fanekem-pinoana :

  • Fanekem-pinoana apostolika

LITORJIAN’NY ASA :

Filazan-draharaha :

  • Famakiana ny hafatra

Rakitra :

  • Hira 753 – S.T.K. – 763
  • Hira 441 : 1, 3

LITORJIAN’NY ASA VAVOLOMBELONA ( Raha misy )

                                LITORJIAN’NY FAMARANANA :

Famaranana :

  • Hira 759 : 4
  • Tsodrano 

……………………………………………………………………………………………

HAFATRA

Ry Mpitandrina sy STK,  rahalahy sy anabavy, ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ny Tompo.Lafin-javatra telo no tiana havoitra amin’izao hafatra izao:

1)- Fitomboana ara-panahy:

Mampahery antsika rehetra samy hanao laharam-pahamehana ny hitomboana amin’ny lafiny ara-panahy, ivelomy ankehitriny izay efa nampianarina sy nampinoana anao, tamin’ny toriteny sy fiofanana efa azonao…, alalino sy iaino ny Soratra Masina; meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva handresena ny asan’ny nofo, ary tokony ho hita mandrakariva ny fijoroana ho vavolombelon’I Jesoa, amin’ny teny sy ny asa, ary ny fitondrantenatsika tanora, ary aoka ho ampy vavaka mandrakariva mba handresena ilay ratsy indrindra amin’ireo velam-pandrika arantirantin’ny satana sy ny fankam-panahy ankehitriny amin’ny endriny maro samihafa, hambabo handavoana ny tanora “maneke an’Andriamanitra, manohera ny devoly dia handositra anareo izy Jak 4:7, ary mandehana araka ny fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo” Gal 5:16. Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny talenta ananana dia ento manompo sy anomezo voninahitra ny Tompo hatrany.

2)- Fanentanana amin’ny adidy

Misaotra anareo amin’izay efa nataonareo tamin’ny fanohanana samihafa ho fampandrosoana ity Sampana Tanora Kristiana ity.

  • Ny rakitra isaky ny Alahady Iombonana toy izao, izay arotsaka aty amin’ny STK Foibe, ary hanentanana hatrany ny hanatanterahan’ny isam-Pitandremana izany.
  • Ny Adidy mivantana ho an’ny STK Foibe izay ataon’ny Fiangonana Mpanampy, arotsaka mivantana aty izany.
  • Ny fiatrehin’ny STK ny fananganana Fiangonana any Bemahatazana, Distrika Miandrivazo, Synodamparitany faha-36, manana anjara Adidy amin’izany ny STK isam-Pitandremana ka any amin’ny STK SP no handrotsahana izany araka ny fandaminana ataon’ny Birao.
  • Ny fanjifana ny Gazety Tanora Fianarana dia hanentanana hatrany ny STK isam-Pitandremana fa mivoaka isaky ny roa volana izany.
  • Ireo anjara biriky ataon’ny STK tsirairay, isam-Pitandremana ary ny Synodamparitany amin’ny fiatrehina ny faha 45taona ny STK FJKM hanatrarana ny tsangambato dia ny Sehatra filanonana (mini coliseum), kianja fanaovam-baolina samihafa, ary fefy tamboho manodidina.
  • Koa dia manantena ny fahafoizanao hanohana ny asan’ny Tompo (Fil 1:6)

3)- Fiatrehana fihaonana any Fianarantsoa

Ho tanterahina any Fianarantsoa ny Fihaonambe Nasionaly fahavalo sy ny Zaikabe faha XIV.Antenaina fa efa miomana amin’izany ny isam-Pitandremana amin’ny fiatrehina ireo fandaham-potoana any amin’ny Fihaonambe ary ho vonona amin’ireo fifaninanana karakarain’ny Synodamparitany. Aoka hiomana isika tomponandraikitra STK rehetra fa hisy fiofanana ho tanterahina any. Ento am-bavaka hatrany ny fiatrehin’ny STK ny Zaikabe izay hanavaozana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny STK Foibe sy hametrahana ny vina ho amin’ny efa-taona manaraka indray.

Manao veloma sady mirary ny soa sy ny tsara ho anareo rehetra, ny Tompo anie hanafy hery anareo hatrany!

                                                                   Amin’ny anaran’ny STK Foibe

Filoha                                                                                                          Tonia

ANDRIAMALALA Solomon Jean Denis,             RAJAONARIVELO Onifinaritra

                    Mpitandrina

………………………………………………………………………………………………………………

Tsara ho fantatra

  1. Alahady 14 Jolay 2019

Fotoana iombonan’ny STK FJKM tanterahina isam-Pitandremana na isam-Piangonana. Koa aza  adinoina  ny mandrotsaka ny Rakitra aty amin’ny STK Foibe. Misaotra anareo izay nanefa izany, mampirisika sy manentana ny hafa kosa. Hitanao ato ny Rakitra sy ny anjara biriky 500Ar voarotsaka ny 21 Aprily 2018 – 15  Mey 2019. Ialana tsiny raha misy tsy tafiditra fa azonaro atao ny mitondra ny fanamarihina ao amin’ny STK Foibe.  Araho antso na hafatra raha tsy  arotsaka any mivantana taty amin’ny STK Foibe izany.

  • Sabotsy 20 Jolay 2019  : Tontolo andro STK

Toerana: ao amin’ny FJKM Ambohimalaza Kanana Vaovao.                                                                                                         

 Maraina: fiofanana momba ny Tetikasan’ny Fiangonana atlotr’ Atoa RAMIARINJATOVO Marc

 Tolakandro: lalao sy fialam-boly samihafa izay karakarain’ny Komity faha 45taona

  • Komity Faha 45taona ny STK FJKM

 Toerana : ao Ankadiefajoro Andoharanofotsy SP Antananarivo Atsimo no hananganana fotodrafitrasa ho tsangambato: sehatra filanonana, kianja fanaovam-baolina samihafa; fefy tamboho manodidina (1000m)

 Aza adinoina ny mandrotsaka 500 Ar / olona  / taona mandrapahavitan’ny asa.Ho avy any aminareo isam-pitandremana ny Boky volamena sy boatin-drakitra araka ny fandaminan’ny Birao STK SP

  • Fiangonana Maitso

Manana toerana fambolena voninkazo ny STK  Foibe ao Ankadiefajoro izay natao hamatsiana ny Fiangonana sy ny sehatra hafa amin’ny haingo voninkazo. Hanomboka tsy ho ela izany.

  • FIHAONAMBE NASIONALY fahavalo

Daty: 30 Oktobra – 03 Novambra any Fianarantsoa

– Saram-pisoratana anarana: 2000Ariary isan’olona ( manomboka ny fiandohan’ny volana septambra)

– Hofan-trano: 1000Ariary /olona/andro (trano Sekoly , ny kidoro kosa fifanarahana hafa)

– Hisy fampianarana, fiofanana ho an’ny Birao sy ny tomponandraikitra STK rehetra, fifaninanana toy ny mahazatra

-Aza adinoina fa misy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny tobim-pamatsiana solika JOVENA izay ahazoan’ny STK Foibe tamberim-bidy ho amin’ny asa ao Ankadiefajoro

– Hisy hetsika manokana karakarain’ny Komity faha 45taona: koa aoka hiomana ny isam-pitandremana amin’ireto

  • Ny Fitandremana tsirairay dia tsy maintsy hividy Boky tantara STK iray farafahakeliny(10000Ar)
  • Hisy raki-kira MP3 ahitana ny Hira fanevan’ny STK rehetra hatramin’izay (5000Ariary)
  • Hisy rindran-kira hotanterahina
  • ADIDIN’NY FIANGONANA MPANAMPY

Noho ny fiakaran’ireo Adidy samihafa  tsy maintsy  hefain’ny STK Foibe,  (Foibe FJKM na ireo Mpiasa Iombonana)  dia nanapaka ny Komity Foibe (novambra 2017) fa ny Fiangonana Mpanampy rehetra dia asaina hanao Adidy mivantana aty amin’ny STK Foibe araka izay vitanareo

Rihana faha-5 – Varavarana 511 –  Foibe FJKM Immeuble Ifanomezantsoa Analakely -B.P 623 BNI CL Analakely  01 117 358 0 020 0 46 – Tél : 033 02 482 42 / 034 02 482 42 / 032 65 005 17 (Airtel Money  –      M.Vola  –   Orange Money) stkfoibefjkm@yahoo.fr    

.

……………………………………………………………………………………………………

Toriteny

(Zakaria 8,1-8)

Ny anarana hoe Zakaria dia avy amin’ny teny hebreo, izay midika hoe “nahatsiaro i Yahweh”. Izany hoe, na dia babo 70 taona tany Babilona aza ny Zanak’Israely dia tsy nanadino azy Andriamanitra fa nitondra azy ireo hody any an-tanindrazany dia any Jerosalema. Misy arak’izany ny teny avy amin’i Jehovah Tompon’ny maro ho an’ireo Jiosy tafody tany Jerosalema. Koa amin’izao Alahadin’ny Sampana Tanora Kristiana izao, no anambarana fa MANATRIKA NY TANORA KRISTIANA NY TOMPO ka:

  1. SARO-PIARO AMIN’IZY IREO (and.1)

Tsy vao sambany eto no nahafantarana izany toetran’Andriamanitra saro-piaro izany. Tamin’ny fotoana nanomezana ny Didy Folo no efa nanambaran’Andriamanitra fa Izy dia Andriamanitra saro-piaro (Eks.20:5). Efa nalain’Andriamanitra ho an’ny Tenany, nofidiny sy nohamasininy, ary nanaovany fanekena mandrakizay ity firenena ity, koa tsy avelan’Andriamanitra raha tsy tonga amin’izay itiavany azy. Vonona Andriamanitra handray ny vahoakany sy hikarakara ary hamelona azy ireo, satria “notendreny rahateo ho Azy amin’ny fitiavana isika mba ho Azy (Efes.1:4,5). Izany no tena fitiavana, izay nasehon’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Jao.1513). Saro-piaro amintsika Kristiana, indrindra fa isika Tanora ny Tompo. Tsy tiany isika handa azy na hanakalo azy amin-javatra hafa. Azo antoka ny fitiavan’ny Tompo antsika.

  • HIARA-MIPETRAKA AMINY (and.3)

Ity and.3 ity dia mampiseho fa tsy ny vahoakan’Andriamanitra ihany no tonga eo Jerosalema fa Izy Andriamanitra ihany koa. Hoy Izy: “efa tafaverina ho eto ka honina eto afovoan’i Jerosalema”. Miaraka  amin’ny vahoakany hatrany Andriamanitra izay midika ho faratampon’ny fahasoavana. Ny fisian’Andriamanitra ao Jerosalema no hahatonga ny fiaraha-monina ao hanjakan’ny fahamarinana. Ao amin’izay misy an’Andriamanitra no misy ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Efa voaporofo tamin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany izany ka nitenenany hoe: “na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia ho eo afovoany Aho (Mat.18:20). Ny fiakaran’i Jesoa any an-danitra dia manome toky antsika fa hiara-mipetraka aminy mandrakizay ny mino (Jao.14:3). Tia antsika ny Tompo ka manaiky hiara-mipetraka amintsika. Mahaiza miara-mipetraka amin’ny Tompo amin’ny fitondrantena tsara rehetra.

  • HAMPISY FIADANANA AO AMINY (and.4-6)

Ny lahy antitra sy vavy antitra, ny ankizilahy sy ankizivavy madinika, ireo dia vondron’olona marefo amin’ny fotoana hisian’ny ady, anefa ireo dia ho afaka hiaina ao anaty fandriampahalemana. Izany no dikan’ny hoe: “hipetraka eny an-dalamben’i Jerosalema, sy ny hoe: milalao eny an-dalambe”. Milaza ny tsy fisian’ny ady izany. Izany no atao hoe, fiadanana: tsy misy ady, tsy misy disadisa. Izany no hataon’Andriamanitra monina ao Jerosalema. Tsy misy tahotra na tebiteby na fanararaotana fa hiaina amin’ny fiadanana. Sitrak’Andriamanitra ny hiainan’ny olony ao anaty fiadanana. Jesoa dia nitondra fiadanana ary namela fiadanana ho an’ny mino Azy (Jao.14:27). Koa aoka isika hiaina izany fiadanana omen’ny Tompo antsika izany dieny izao.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV