SFL / Alahadin’ny SFLaika
Alahady Sampana Fivondronana Laika FJKM
Alahady 21 Jolay 2019
MANATRIKA NY MINO NY TOMPO
-Fiarahabana Apostolika
Hira Faneva 200 taona SekolyFJKM
-Fiderana sy Fisaorana Salamo 35,27-28
Hira 8 : Dera laza hery haja
Vavaka Fiderana sy fanatonana an‟ Andriamanitra
Fankalazana nyTenin’ Andriamanitra
Fotoana ho an‟ ny Ankizy sy ny tanora
Hira 787.1 « Zay mahakolokolo Tantara na tsianjery na …
Hira 550 « Ry Tompo ô ny tany maina »
Vavaka SM : II Tantara 6,1-6
Marka 6,47-56
I Korintiana 14,23-25
Hira 1791.4 Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa
TORITENY
Feon-javamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova
Hira 281 « Zanahary tsy mba tia »
-Famelan-keloka : Mar.8,34
Hira 1661.2 Derao ny Tompo lehibe
-Fanambaram-pinoana
Asan’ ny Fiangonana
Hira Faneva SFL + Famakiana ny Hafatra avy amin‟ ny Foibe SFL
Hira 40 taona Laika Foibe Raharaham-piangonana
Rakitra : Hira Sampana
Fanolorana ny rakitra :Hira na vavaka
Asa Vavolombelona : Batisa …
Vavaka fisaorana sy fangatahana + Rainay…
Famaranana
……………………………………………………………………………………………………………………….
TORITENY
MANATRIKA NY MINO NY TOMPO
Perikopa : II Tantara 6,1-6 ; Marka 6,47-56 ; I Korintiana 14,23-25
Hanapaka ao am-pontsika tsirairay avy anie ny fiadanan’ i Kristy. Mankalaza ny faha 40 taona isika Laika FJKM mandritra ity taona ity, ary dia novoizintsika mafy ny Fanahim-pahafoizana hiatrehana izany sy ny asa rehetra izay atao. Niasa tokoa ny Fanahy, nitongilana kokoa tamin’ izany Fanahim-pahafoizana izany isika, ka dia fointsika ny vola aman-karena mivantana nenti-nanao ny asan’ Andriamanitra, manoloana ireo Hetsika mila tambiny samihafa. Ankoatry ny vola aman-karena àry, misy karazany hafa koa ve tokony afointsika ve? Iainantsika FJKM amin’ ity volana Jolay ity ny hoe “Manatrika ny mino ny Tompo”, koa andeha horaisintsika manokana ny Mar.6,47-56, itarafantsika koa ireo Fahafoizana hafa ankoatry ny vola aman-karena ahombiazana amin’ ny asan’ Andriamanitra. Isintonantsika lohateny izany manao hoe : MANATRIKA ANAO NY TOMPO KOA MILA MAHAFOY IANAO.
1.Manatrika anao ny Tompo koa afoizo ny Tahotra sy Fisalasalana (Mar.6,47-52)
Ny hariva ka mandra-maraina ny tantaran’ ny Mpianatra teny ambony Sambokely eto. Raha zohina dia ireto avy no nanjo ireto mpianatra ireto. Na dia efa za-draharaha amin’ ny famoriana sambokely ary izy ireo dia ”sahirana nivoy fatratra” and.48 “notohain’ny rivotra”; nony mamatonalina dia tratry ny fisalasalana ny amin” i Jesoa izay “nataony ho matoatoa” and.49, hany “ka dia raiki-tahotra” and.50 avokoa izy ireo. Ny tsy fantany anefa, dia manatrika azy ireo ny Tompo na lavitra na akaiky: “Izy irery ihany no teo an-tanety” and.47 “nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina Jesoa ka nikasa handalo azy” and.48. Miampy ny fiakarany an-tsambokely ka nitenenany hoe : “Matokia, fa Izaho ihany ; aza matahotra” and.50. Ny fanatrehan’ i Jesoa ny mpianatra, dia tokony AMOIZANA izay rehetra mety ho tahotra sy fisalasalana rehetra
Nisalasala sy natahotra ihany Solomona mpanjaka araka ny II Tan.6,1-6 ny amin’ ny hoe ho vita sa tsia ny Tempoly hitoeran’ ny anaran’ i Jehovah sy ny fitohizam-panjakan’ i Davida rainy. Fanahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana ny fanekem-pinoan’ i Solomona eto “fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny anarako, ary nifidy an’i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko” and.6. Mbola mitohy izany mandraka ankehitriny, raha vao mahafoy tahotra sy fisalasalana ny mpino, dia tena Tempolin’ Andriamanitra tokoa, ary Jesoa no fitohizana avy amin’ i Davida manjaka amin’ ny fiainany. Tononina ho fitohizam-panahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana izany, satria Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina mihitsy no manatrika.
Raha tadidintsika ny tantara ao amin’ ny Mar.4,35-41, ny amin’ ny nampitsaharan’ i Jesoa ny tafio-drivotra hanaporofoana izany. Tahotry ny ho faty tamin’ ireo mpianatra vokatry ny tafio-drivotra ka namohazana an’ i Jesoa, nitenenan’ izy ireo
“Tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” Mar.4,38. Niteny Jesoa rehefa avy nampitsahatra ny tafio-drivotra :
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola mana-pinoana va hianareo?” Mar.4,40; Fanahim-pahafoizan-tahotra no tsiahivin’ i Jesoa amin’ ny mpianatra, ary porofoin’ i Jesoa fa manatrika azy ireo mandrakariva Izy, na dia mihevi-tena fa efa ho faty aza izy ireo.
Manatrika antsika isan’ andro Jesoa, amin’ ny toerana rehetra, amin’ ny fotoana rehetra. Noho ny fahasahiranam-piainana anefa, noho vidin-javatra toa miakatra foana ka mahatonga antsika toa mivoy lakana foana, kanefa tsy tonga amin’ izay mety ho tanjo-tratrarina akory, noho ireo karazam-pivavahana, eny mety ho karazam-pinoana hafa mampanonja ny fiainantsika ankehitriny, noho ny toe-draharaham-pirenena samy manana sy mampidera ny lokony, dia misalasala isika. Fanahim-pahafoizan-tahotra sy fisalasalana no atolotra anao, satria averina ihany, manatrika antsika Jesoa, ary rehfa fointsika ireo mandrha hoa azy Fahafoizam-pananana ho amin’ ny asan’ Andriamanitra.
Mahafoy fananana, ampandrosoana ny asan’ Andriamanitra, moa ve isika mahafoy ny ratsy koa, sao lasa sakam-pitohizam-panompoana ny Tompontsika. Mbola misy koa fanahim-pahafoizana hafa anatrehan’ ny Tompo antsika.
2.Manatrika anao ny Tompo koa afoizo koa ny Fahalainana sy Fiheveran-tena manokana. and.52-56
Any Betsaida no tanjon’ ny mpianatra, nentin’ ny rivotra tonga tany Genesareta. Mahavariana izany, kanefa hita fa tena fandaharana tian’ i Jesoa iarahana amin’ ny mpianatra.
Inona indray no miavaka eto? Tsy izay tian’ ny mpianatra no atao, fa efa voasoritra mialoha ny lalan-kalehany, mafy fo rahateo izy ireo ka ela vao tena nino ; Vao nahare ny fiavian’ i jesoa ny olona teo an-tanana dia niolomay nanatona : “nahalala an’i Jesosy niaraka tamin’izay ny olona teo ka nihazakazaka tamin’izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary” 54-55 ; fisehon’ ny Voninahitr’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fanasitranana “ary sitrana izay rehetra nanendry Azy” 56. Ny fanatrehan’ i Jesoa no nanafoana ny fiheveran-tena ho mahay teo amin’ ny mpianatra, izany fanatrehany izany koa dia nanainga ny olona hanatona Azy faran’ izay haingana. Misy ady amin’ ny fahalainana eto satria samy te ho sitrana. Ary mbola io fanatrehany io ihany koa, no nisehoan’ ny Fahagagam-pahasitranana tsy araka izay mahazatra ny olona, satria fanendrena ny lamban’ i Jesoa fotsiny dia efa nahasitrana ny olona.
Perikopantsika koa ny I Kor.14,23-25 enti-manamafy izany. Ny fanatrehan’ ny Tompo tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no nahatonga ny olona haminany sy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra. Fa ny vokany no miavaka eto: “dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.” Rehefa nahafoy tena tanteraka ny mpanara-dia an’ i Jesoa, nahafoy ny maha-izy azy, natrehan’ ny Tompo tamin’ ny alalan’ ny Fanahiny, dia mahavita zava-mahagaga tsy tratry ny saina hoheverina.
Ny Teny Fanevantsika Laika amin’ izao faha-40 taona izao :” ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.” Jak.2,18. Mamporisika ny Apostoly Jakoba fa ny Finoana dia ny fanatrehan’ Andriamanitra, ary ny asa dia ilay fahafoizan-tena, ka tsy hiheveran-tena ho mahavita irery, fa fahafoizana ho an’ Andriamanitra tanteraka. Koa raha tiana ho tanteraka ilay atrehan’ ny Tompo, dia tokony afoy ny fahalainana, afoy ny karazam-pidedahana hiheveran-tena fa hoe mahay aho ka tsy mila ny hafa, indrindra afoy izay fiheveran-tena ho ambony sy be voninahitra. Manetre tena tahaka an’ i Jakoba nanoratra ity Epistily ity.
Akaiky ny farany. Mila tena haingana isika mampihatra ny Fanahim-pahafoizana hitsenana an’ i Jesoa, tahaka ireo olona nihazakazaka nitady famonjena taminy. Ny fahafainganana dia fahafoizana hakamoana sy halainana. Aoka tsy hosongonan’ ny programam-pirenena ny fahafainganantsika satria tsy maintsy torina hatramin’ ny faran’ ny tany ny Filazantsara. Miharatsy koa ny fiainana, koa ndao hoafointsika koa ny fiheveran-tena manokana sy ny fijejoana ara-pilazantsara. Afoizo avokoa izay mety ho sakana avy amin’ ny tenantsika tsy hibaribarian’ ny voninahitr’ Andriamanitra.
Voarefinao ary ve ny fahafoizan-tenanao, sao mantsy tsy tody hatramin’ ny farany izay mba eritreretinao ho fitoriana, fa lasa endrikendrika ivelany sy fidedahana fotsiny.
Fanahim-pahafoizana? Ilaina tokoa ny fahafoizana vola aman-karena tsy misy tambiny ahavitana ny Asan’ Andriamanitra. Ny Fanatrehan’ ny Tompo ny fiainantsika isan’ andro anefa dia miteny amintsika, fa mibahana amin’ ny fanahim-pahafoizana ireto: Fahafoizan-tena sy ny ananana rehetra; fahafoizana ny ratsy toy ny fisalasalana rehetra fahalainana, hakamoana, tahotra; fahafoizam-pombapomba sy fidedahana maro isankarazany. Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra. Amen!
HAFATRA
Ry havana, hanapaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’ I Kristy
Ny Birao sy ny Tonia eto anivon’ ny Sampana Fivondronana Laika Foibe, dia mamangy sy mirary ny Fiadanan’ nyTompo Jesoa ho an’ny Vahoakan’ Andriamanitra rehetra eto anivon’ ny FJKM mahatratra izao Alahadin’ ny SFL 2019 izao.
Arahabaina manokana ny mpikambana Laika rehetra eny anivon’ ny VFL isam-pitandremana sy ireo VPL isaky ny synodamparitany izay tsy nikely soroka teo amin’ny Asa fanompoana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny sampana , ny Fanahy Masin’ Andriamanitra anie hanamafy orina hatrany ny finoantsika ary tsy ho diso anjara amin’ny fanatrehan’ny Tompo.sy ny fombàny anie isika rehetra amin’ny Asa vavolombelona mbola hanirahany antsika amin’ny ho avy rehetra.
Manan-danja manokana izao Alahadin’ny SFL 2019 izao satria ao anatin’ny taom-pankalazàna an’ Andriamanitra noho ny ny faha 40 taona nampijoroan’nyTompo azy ny SFL ; Efa am-perinasa tanteraka ny komitin’ny fankalazana ary toerana maromaro tany amin’ny faritany no efa nanatanterahana izany fanamarihana izany. Isaorana ny Komity aty amin’ny Foibe SFL miampy ireo Komity Foibe sy VPL ary VFL rehetra nahatontosa ireny hetsika ireny ho Voninahitry ny Tompo. Mbola misy toerana vitsivitsy hanatanterahana nyanjarany ary any amin’ny Fihaonambe any Manakara ny 23 kahatramin’ny 27 Oktobra 2019 ho avy izao no atao ny fiaraha-mientana iombonantsika rehetra. Hangonina any Manakara io ny boatin-drakitra Befasy mamangy ary ho fantatsika misimisy kokoa eo ny fandroson’ny Asa amin’ny tsangambaton’izao faha 40 taona izao dia ny Fiangonana ao Befasy Morondava.izany. Mahafaly ny mahafantatra fa mitombo hatrany ny isan’ireo kristiana ao amin’ io Vondron’olonamiara-mivavaka ao Befasy io na dia azo lazaina fa toerana mbola tena maizina aza izany toerana izany amin’ny lafiny ara-pinoana.
Ampirisihana sy ankasitrahana hatrany ny Komitin’ny faha 40 taona sy ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra mba hanohy ny ezaka natomboka ary hifanome Tanana hatrany hahatanteraka ny tanjona amin’izao taom-pankalazàna izao
Raha ny fiainana ankapoben’ny SFL kosa no asian-teny dia azo ambara fa ,na teoaza ny fahasahiranana samihafa amin’ny fanatanterahana ny asa dia amin’ny fifaliana no izarana amintsika fa mahatanteraka ny adidy fanohanana ny Poste d’evangelisation isika SFL ho fanampiana ny Asa fitoriana ny Filazantsara ataon’nyFoibe FJKM ary nahatontosa ny anjara tamin’ny jobily faha 50 taonan’nyFJKM sy faha 200 taonan’ny LMS nandritra ny taon-dasa 2018 iny.
Mandroso tsara ny fanapariahana ny boky kely ALIM-PIAMBENANA izay vokarintsika SFL
Mahafaly koa ny ilazàna fa 2 sisa ireo synodamparitany mbola tsy misy VPL ary ny iray aza dia efa eo an-dalam-pananganana ankehitriny. Toa izany koa ny fitomboan’ny isan’ireo VFL miorona sy notokanana isam-pitandremana hahatsiarovana fa mihamazava amin’ny Fiangonana toko ankehitriny ny antom-pisiana sy ny zava-kendrena ary ny votoatim-pitaizana tanterahana eo anivon’ny sampana Laika FJKM.
Mandroso hatrany koa ny fanatanterahantsika ny tetikasa LA.MA.KO.(na LAika MAndà KOlikoly) izay hijoroantsika vavolombelona eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Entanina isika rehetra mba hiaina sy hanaparitaka ity tetikasa ity amin’ny sehatra rehetra.
Tsaroana ny fitantanan’ Andriamanitra nahazoantsika nahatanteraka ireny asa ireny kanefa isaorana manokana koa ireo Komity Foibe sy VPL ary VFL rehetra nifanome tanana sy niray saina ka nanolotra ny fanomezam-pahasoavana samihafa nentina nanao ny asan’nyTompo.
Mahakasika ny Fihaonambe sy Zaikabe dia tapaky ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM farany teo fa any Manakara ny 23 ka hatramin’ny 27 Oktobra no hanatanterahana izany. Efa mitsangana sy miasa ny komity mpanomana any Manakara sy aty amin’ ny Foibe koa mangataka antsika Laika rehetra hanohana sy hitondra am-bavaka azy ireo sy ny asa fanomanana rehetra. Kendrena ny hanatsarana hatrany ny endrika sy vontoatin’ny Fihaonambe mba ho fotoana hanovozam-pinoana sy fahalalana ary hanamafisana hatrany ny fiombonana sy firaisankinan’ny Laika FJKM io fotoana io. Eo koa no hanovozantsika paikady sy fanentanana entina manohy ny asa mandritra ny efa taona manaraka 2019-2023.
Eto am-pamaranana dia indreto misy zava-dehibe vitsivitsy hanafarana antsika manokana
- Hamafiso hatrany ny fiainam-bavaka sy ny fandalinam-pinoana
- Hateveno hatrany ny firaisankina sy firaisan-tsaina eo amin’ny samy Laika,ny asa iombonana izay anentanana ny VPL,VFL amin’ny fanatanterahana ny Adidy SFL, sy ny fampiakarana ny Rakitra aty amin’ny foibe SFL.
- Aoka hiomana tsara hanatrika ny Fihaonambe sy Zaikabe ary hivavaka sy hifanohana amin’ny fikarakaràna rehetra momba izany
- Iaino ka ampiharo amin’ny fiainanao andavan’androny Etikan’ny Laika FJKM sy ny Laika MAndà Kolikoly LA.MA.KO.
- Tohano ny Sekoly FJKM izay mankalaza ny jobily faha 200 taonany
- Tohano sy ento am-bavaka mandrakariva ny Foibe FJKM, ny SFL, ny VPL sy ny VFL rehetra
- Mivavaha ho an’ny firenentsika mba hanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiadanan’ Andriamanitra ny Tanindrazantsika.
Dia manao veloma finaritra antsika amin’ny Anaran’nyTompo Jesoa ary maniry ny hifanatri-tava amintsika Laika rehetra any amin’ny Fihaonambentsika any Manakara, hijoroantsika Vavolombelona amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra hoe : “Fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako” Jak.2,16. Ho Voninahitr’Andriamanitra.
Amin’ny Anaran’ ny Birao Foibe SFL
Ny Filoha
Benjamin ANDRIAMPARANY RADAVIDSON
Hira Faneva SFL
Fa nantsoina isika izao
Fa nantsoina isika izao
Ankalaza azy Ray
Nefa misy tiany atao
Inona izao antso izao
Mitsangana; mihazavaha
Ndeha vitao ny asanao
Fa mihoatra noho ny hafa
Ilay fanompoana atao
Moa tsy izay ataonareo
Mihoatra noho ny sasany
Dia ny Tompo no jereo
Manaraha ny asany
Hira Faneva 40ème
Inty aho ry Tompo
1.Foana ny finoana raha tsy misy asa
Hahavelona azy dia tsy maintsy miasa
Réf: Inty aho ry Tompo
Vonona hanompo
Haneho ny finoako
Ny finoako amin’ny asako
2.Maro ‘reo asa izay ho tanterahina
Hahefana ireo dia mifanome tànana
Réf:
3.Tsy mba ho mpandova
Ireo’zay tsy mba maharitra
Izay tsy miova no handova lanitra
Réf:
……………………………………………………………………………………………………………………………….
Ny Filoha sy ny Biraon’ny SFL ary ny Tonia dia mankasitraka antsika rehetra tamin’ny fiarahana midera an’Andriamanitra, indrindra ny fitondranareo am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika
Mirary ny fiadanan’ny Tompo Jesoa ho amintsika rehetra.
SOLA DEO GLORIA
……………………………………………………………………………………………………………….