Talata 18 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 19.1-22

1-Ilay Pentekosta  fahatelo (and 1-7)

Misy Pentekosta 3 mantsy  tantarain’i Lioka ato  aminn’y Bokin’ny Asan’ny Apostoly . Ny voalohany  dia ilay  tao Jerosalema  (Asa 2) : azo lazaina  ho Pentekostan’ny Jiosy  io . Ny faharoa  dia ilay  tany amin’i Kornelio (Asa 10.44-45) Azo lazaina  ho Pentekostan’ny Jentilisa io . Ny fahatelo  dia  ny Pentekostan’ny  mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa . Tamin’ireo  dia nisy  fiteny tsy fantatra hatrany . Tsy  izany  hatrany  anefa no nisy fa na tamin’i Paoly  aza  fony vao nino   dia tsy niteny  tsy fantatra  akory izy (Asa 9). Ny  fanontaniana kosa dia zao : efa noraisinao  ve i Jesoa ka nandray  ny Fanahy Masina ianao , tonga Zanak’ Andriamanitra ?  (Jao  1.12 ;Rom 8.16) .

2-iLay fanasitranana mahatalanjona (and 11-12)

Tena mahagaga ny niseho : aiza ve ka mosaran’i Paoly avy dia ampy  nahasolo  Mpiandry  hahasitrana  sy  hampivoaka fanahy ratsy ? Saingy  tena nisy  tokoa izany  haneho amitsika  fa velona sy tena mahery ny Jesosintsika .

3-Ilay fahafaham-barakan’ny mpisandoka (and13-16)

Ireo 7 lahy  zanak’i Skeva  dia mba  naka tahaka  ny nataon’i Paoly  , kanjo  zava-doza  no niseho . Hay fantatry  ny fanahy maloto tsara i Jesoa . Isika foana no adala manaiky   horebirebeny  tsy hahalala Azy . Fantany  koa ny tena mpanompon’i Jesoa . koa ireo  mba nianatra  nandroandroaka  azy  ireo  , nataony nahita faisana : nitanjaka sy  voaratra  . Tsy  izany mandrakariva  koa anefa  no  mety  hiseho fa tsarovy izay  nolazain’i Jesoa ao amin’ny Mat .22-23. Samia mailo !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV