Alatsinainy 17 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 18.12-28

Mpandray anjara 3 no andeha hosinganintsika eto :

1-I Paoly

Paoly mivezivezy , mandeha tsy mahalala reraka no hitantsika eto , mifindrafindra tanana mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy . Ny fanontaniana mby ao an-tsaina rehefa mamaky izany tantarany izany dia izao : mbola misy i Paoly toy izany ve ankehitriny sa tsy ilaintsika intsony ny fisian’ny mpitory ny Filazantsara mandehandeha toy izany , ka tsy mijanona ela loatra eo amin’ny toerana iray toy ny Mpitandrina fahitantsika ankehitriny ?

2-I Apolosy

Fatratra filazana momba azy eto : lehilahy nahay nadahan-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina (and24) . Nafana fo niteny sy nampianatra izy (and25). Niteny tamin’ny fahasahiana izy (and26) . Araa izany dia tena lehilahy manam-pahaizana tokoa i Apolosy . Tsy anisaraka tamin’ny faharanitan-tsainy anefa ny hafnam-pony sy ny hamafin’ny finoany . Izany mantsy no niseho indraindray : rehefa lasa ambony amin’ny fahalalana dia maimaina ny fo ary mihozongozona aza ny finoana . Mivavaha mba hitombo ny « Apolosintsika ».

3-Prisila sy Akoila

Marihantsika manokana izy mivady fa nanana fahasahiana masina « nampianatra » an’i Apolosy avara-pianarana (and 25-26) . Enga anie ka ho maro ny kristiana « tsotra » ho toa azy mivady . Ary enga anie ho maro ny hanana ny fanetretenan’i Apolosy ka hanaiky hampianarin’ny olon-tsotra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV