Sabotsy 15 Jiona 2019.
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 17.16-34
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 17.16-34
Fampieritreretana 2 no entina ho antsika eto:
1-Mbola velona eritreretina manoloana ny sampy ve isika?
Eo amin’ny and 16 dia voasoratra hoe: taitra tao anatin’ny fanahiny raha
nahita ny tanàna feno sampy izy . Tsy niova tamin’ny zava-misy tamin’izany ny zava-misy ankehitriny. Ny sampy fotsiny no niova endrika fa tena mbola feno sampy ny fiaraha-monina misy antsika .
Raha tsaroantsika fa izay rehetra tiantsika mihoatra noho i Jesoa dia sampy
avokoa , dia hitantsika fa efa nanjary sampy , ho an’izao mpiara-belona
amintsika izao , ny mpanakanto malaza , ny baolina , ny televiziona , ny vola, ny fianarana…izay lasa naka ny toeran’i Jesoa ao aminn’y fotoanan’ny olona , ny tokantranony , ny fon’ny olona mihitsy aza , eny fa na ho an’ireo mitonona ho kristiana aza indraindray . Mbola tsy mahatafandry mandry antsika ve izany sa sanatria efa mahazatra ?
2-Sahy mitory an’i Jesoa amin’ireo manam-pahaizana ve isika ?
Nitory an’i Jesoa teo amin’ny fivorian’ny Areopago , manam-pahaizana tao Atena i Paoly . Notoriny mazava fa mandidy ny olona rehetra hibebaka Izy rehefa mahalala fa i Jesoa no Kristy. Nambarany tamim-pahasahiana ny fitsarana ho avy ary tsy nafeniny ny aminn’y fitsanganana amin’ny maty na dia nihomehezan’ny sasany aza izy (and32). Mbola sahy manao toy izany ve isika sa matahotra hanafitohina olona dia tsy miresaka izany ? Mariho fa , rehefa sahy isika , misy hatrany ny mino (and34) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8