FJKM /ARM -188 taona …

Nanamarika ny faha-188 taona

nandraisana ny fanasan’ny Tompo teto Antananarivo

188 taona izao no nandraisana ny fanasan’ny Tompo voalohany ho an’ ny protestanta Malagasy teto Antananarivo . Ny 5 Jona 1831 no nanolorana izany tao amin’ny fiangonana Ambatonakanga.
Daty malaza sy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny fiangonana Kristianina Protestanta Malagasy araka izany ny faha -5 Jona.  Ho fahatsiarovana dia nisy fanompoam-pivavahana natao tetsy amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny faha-5 Jona 2019 lasa teo izay notarihin’ny FJKM-ARM, nofaranana tamin’ny fiarahana mandray ny fanasan’ny Tompo izany fotoana izany. Kristiana mpandray ny fanasan’ny Tompo : manana saina sy fahendrena ary mandray andraikitra.

Hevi-dehibe 2 no nisongadina tamin’ny toriteny nentin’ Andriamatoa Andrianandrianina Harisoa Mpitandrina izay nalaina tao amin’ny Gen. 41:33-40. Nambarany fa misongadina ny fiainan’ny olona manana ny fanahin’ Andriamanitra: voalohany, omeny saina sy fahendrena mahatakatra ny sitrapon’ Andriamanitra izy. Faharoa, omen ‘Andriamanitra andraikitra hitondra vahaolana sy hanatanteraka famonjena izy eo amin’ ny fiaraha-monina sy ny firenena indrindra ireo mpandray fanasan’ ny Tompo, fa tsy toerana na anarana fotsiny izany. Ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia fiombonana amin’ Andriamanitra no sady fiandrasana ny fiavian’ i Jesoa eny amin’ ny rahon’ny lanitra. 
Ny antokom-pihira  SLK Ambatonakanga no nanafana ny fotoana tamin’izany. Na izay aza anefa dia tsikaritra ho vitsy ihany no tonga niatrika ity fotoana manan-tantara amin’ny fiainan’ny fiangonana ity.

R. Veronica

Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV