Hetsika lehibe F5

Ny Hafatr’Andriamanitra

Fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainanao

Ny Toriteny nentin’ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina tao anatin’ilay hetsika F5, dia noraisina avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy toko faha 3 andininy faha 20 manao hoe

« Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ».

« Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy » (Romana 5 : 8).

Zavatra efatra no tokony ho fantatra :

  • Tia anao Andriamanitra .Ny fitiavan’Andriamanitra dia fitiavana marina, mahatoky, feno. Ny olona mety tsy tia anao, manaratsy anao, mankahala anao, fa Andriamanitra tia anao.
  • Mpanota ianao, mpanota tafasaraka amin’Andriamanitra ianao. Ny vokatry ny fahotana dia fahafatesana. Tena maty ianao raha tafasaraka amin’Andriamanitra
  • Jesoa Kristy, maty mba hamonjy anao. Nanaiky ho faty ho anao Izy. Izy irery no tsy manana ota. Ny tsy manana ota ihany no afaka hamonjy ny mpanota. Tsy marina ny hoe : « tous les chemins mènent à Rome ». Jesoa Kristy irery no làlana mankany an-danitra. Raha te ho any Mahajanga ianao dia tsy ny RN2 akory no handehanana. Na Jesoa na làlana hafa no safidinao ! Fa tokana ihany no làlana : JESOA !
  • Raiso Jesoa. Manana safidy mazava ianao. « Tonga tany amin’ny Azy Izy fa ny Azy tsy nandray Azy » (Jaona 1 : 11). Malalaka amin’ny safidiny ny tsirairay azy. « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany » (Jaona 1 : 12).

Ahoana ary no handraisana an’i Kristy ? Efa mitsangana eo am-baravarana Izy ka mandondona. Ny fiainanao manontolo no sahanin’i Jesoa Kristy. Mitondra ny fiainany ao amin’ny fonao Izy.

Vonona handray an’i Jesoa ve ianao ? Manaja ny safidinao i Jesoa. Ianao no tompon’ny safidy. Jesoa dia mahalala fomba ka manaja ny safidinao. Tena miandry Izy. Ianao no tokony hamoha ny varavarana fa Izy dia te-hiditra ao am-ponao. Raha tsy tafiditra ao amin’ny fiainanao Jesoa dia noho ny adalanao.

Tena marina ve ny fandraisanao an’i Jesoa Kristy ? « Fa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo (2 Kor. 5 : 17). Tsy marina mihitsy ny hoe Izaho nandray an’i Kristy nefa tsy nisy zavatra niova teo amin’ny fiainako. Jesoa mihitsy no te hiditra amin’ny fiainanao.

Zavatra tsotra no mankany an-danitra. Manapa-kevitra tsotra ianao. Mampandroso an’i Jesoa ao an-tranonao. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

RAM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV