Alatsinainy 10 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 15.1-21

Andeha hianarantsika ny fomba famahana olana nataon’ ny Apostoly. 1-Nekena fa misy ny ambaratonga mahefa Tena nisy ny adihevitra : tsy maintsy forana ve vao voavonjy? Rehefa tsy hita ny vahaolana dia nentina tany Jerosalema ny raharaha , izany hoe : nekena ny fisian’ny mpitondra mahefa

2-Tena nekena ny adihevitra mafana

Tsy  manafina izany ny Soratra Masina . Samy navela hiteny avokoa ny andaniny sy ny ankilany . Tsy nandosirana ny fisian’ny fifandonan-kevitra na dia mafimafy ihany aza izany (and 7a).

3-Nahay nitana ny fahamarinana ny mpitarika

Sahy nandray andraikitra , nitsangana I Petera, izay fantatra fa mpitarika . Naoriny mafy ny fahamarinana tsy maintsy tànana:”mino isika fa ny fahasoavan’I Jesoa Tompo  no hamonjena antsika , dia tahaka ny azy ihany koa” (and11) .

4-Nahay  nifampihaino izy ireo

Nasaina nijoro ho vavolombelona ry I Paoly ary  nohenoina tamim-pahanginana izy  ireo (and12). Fahaiza-mifampihaino  mendrika halain-tahaka izany .

5-Nahita tolokevitra tsara izy ireo (and13-21)

Ny tolo-kevitr’I Jakoba no vahaolana . Tsy  noterena hoforana ny Jentilisa na tsy voalaza mivantana aza izany , saingy  tsy navela ho baranahiny  koa.

Raiso ny Tenin’Andriamanitra” Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV