SP 12/ Fanok. Mpitandrina
FANASANA
« Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay… Koa dia iraka solon’i Kristy izahay , toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo , solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo » 2 Kor 5.14a ,20
-Ny Foibe FJKM
-Ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana
-Ny Fitandremana Antsahamaina Famonjena
-Ny Komitin’ny Fanokanana Mpitandrina
dia faly manasa anareo hiombom-bavaka sy hankalaza an’ Andriamanitra noho ny fanokanana Mpitandrina an-d-Ramatoa
MAMILALAINA Lalaoharisoa Rindra
Ny Sabotsy 20 Jolay 2019, amin’ny 9 ora sy sasany : Fanompoampivavahana tarihan’ny FOIBE FJKM sy ny SP Antananarivo At-sinanana.
Ny Alahady 21 Jolay 2019, amin’ny 9ora sy sasany : Fanompoampivavahana iarahan’ny Reny fiangonana sy ny zanaka ampielezana ary ny taranaka .
Zava-dehibe ny vavaka asandratrao ho azy sy ny ankohonany , indrindra raha afa-mifanotrona ho Voninahitr’ Andrimanitra .
–