Alahady 09 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 14.1-28

Mahaliana antsika tokoa ny tantaran-dry i Paoly ary lesona sy fampaherezana ho antsika .

1-Mahaliana ny fahombiazany

Nitory izy ireo dia »olona betsaka no nino, na Jiosy na Jentilisa » (and1), « nahazo mpianatra maro » (and21). Moa tsy mba irintsika ny toy izany?

2-Mahaliana ny fahasahiany

Niseho ny fanoherana (and2) fa « nitory tamin’ny fahasahiana noho fatokiany ny Tompo »izy ireo fa tsy nipempo akory , satria « tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’ Andriamanitra » , hoy izy (and22).

3-Mahaliana ny fanetretenany

Noho ny nahasitranany ilay lehilahy nalemy tongotra, dia noheverina ho andriamanitra mihitsy izy ireo (and8-18) , kanefa endre izato fanetretenany nandà izany . Aiza ho aizan’izany isika indraindray?

4-Mahaliana ny fiarovan’ny Tompo azy

Notoraham-bato ary noheverina ho efa maty  mihitsy  aza izy, kanjo nitsangana soamantsara indray  indray  dia lasa nanohy  ny diany (and19-22) .

5-Mahaliana ny fahaizany mandamina

Nialohan’ny handehanany dia nanendry loholona isam-piangonana izy ireo (and23) .Tena fahendrena lehibe izany satria fiheverana ny fanohizana ny asa.

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra” Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV