Zoma 07 Jiona 2019.
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 13.13-31
Fianarana ho antsika izao hita eto izao :
1-Nandeha tokoa ry i Paoly
Rehefa nahazo antso sy voairaka dia roso tokoa ny dian’ izy ireo , tsy nahalala sasatra . Tonga fanontaniana ho antsika izany : mbola manana fahavononana sy fankatoavana toy izany ve isika ? Mbola misy amintsika ve mahafoy tena handeha ka tsy hahalala sasatra toy izany rehefa hitory ny Filazantsara?
2-Nahalala ny tranga fanararaotra i Paoly
Hainy ny nanararaotra ny fisian’ny Synagoga , izay toeram-pivorian’ny Jiosy niely patrana ivelan’i Jerosalema . Hainy ny nanararaotra nanatrika izany fotoam-pivoriana izany tany amin’ny toerana nalehany . Hainy ny nanararaotra niteny rehefa nangatahina hanao izany . Ary isika , mba ahoana? Mariho fa tsy avy hatrany dia nisaraka tamin’ny Jodaisma ( fivavahana Jiosy ) akory ny Kristianisma ary tsy nanangana ny Jiosy nanaraka ny Jodaisma ho fahavalo akory ireo Jiosy Kristiana . Fanatra izany !
3-Nahay ny Testamenta Taloha ry i Paoly
Toy ny efa hitantsika tamin’ny tantaran’i Stefana dia ny Testamenta Taloha no Soratra Masina teo an-tànan’ireo kristiana voalohany ary hainy tsara ny nitory an’i Jesoa Kristy niainga tamin’izany. Manitsy ny fanamaivanantsika ny Testamenta Taloha izany , satria tena miandoha ao ny Filazantsaran’i Jesoa .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8