Alarobia 05 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 12.7-25

Hafatra telo no atolotra antsika eto :

1-Azo antoka ny herin’ny Tompo

Endrika iray ahitantsika izany ny fanafahana an’i Petera teto. Efa tena natao tsara ambina izy , saingy tsy nahasakana ny herin’ Andriamanitra tsy izany mandrakariva ny ataon’nyTompo satria i Jakoba dia voalaza fa novonoin’i Heroda (and2) ; saingy mahazo toky isika fa raha mbola misy ilan’ny Tompo antsika eto dia tsy avelany ho faty akory isika .

2-Mianara mandray valimbavaka

Voalazan’ny and 5 hoe: « ny Fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy « kanjo nony azo tokoa ny valimbavaka ka tafavoaka avy tao an-tranomaizina i Petera ,dia tsy nino indray ireo olona niari-tory nivavaka ho azy . Moa tsy fahalemena mpahazo antsika koa izany ? Soa ihany fa tsy nihevitra loatra izany tsy finoantsika ny valimbavaka omeny izany ny Tompo , ka manaiky hamaly vavaka antsika ihany. Na izany aza dia miovà.

3-Tandremo ny fireharehana

Ambaran’ny and 23 dia nasian’ny anjelin’ny Tompo i Heroda ka matin’ny kanakana.Ny antony : « nihobian’ny olona ho andriamanitra izy « , tsy nanitsy izany izy fa nanaiky . Fampitandremana lehibe ho antsika izany . Tsarovy ny Isaia 42.8.

« Raiso ny Tenin’ Andiamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV