Talata 04 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 11 .19-30 /12.1-6

Lalina fa tantely amam-bahona tokoa ny fiainan’ny Fiangonana

1-Nahery nitory ny kristiana (11.19-30)

Niely izy ireo ary izay toerana rehetra nalehany dia nitoriany an’i Jesoa Kristy ka nisy vokatra nahavelom-bolo (and19-21). Nanana mpitarika « tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana » toa an’i Barnabasy koa izy ireo (and24) , ka mainka koa nahomby . Ary ny samy mpitory ny Filazantsara , nahay niara-niasa toa an’i Barnabasy sy i Saoly ary i Agabo mpaminany (and 25-30), fiaraha-miasa niteraka fahaiza-mifampitsinjo teo amin’ny samy mpino ko aizany . Lesona ho antsika koa izany.

2-Nahery nanenjika ny fahavalo (12.1-6)

Ny fanenjehana no nampiely ny kristiana (11.19). Nipoaka indray anefa ny fanenjehana vaovao . Novonoin’i Heroda mihitsy i Jakoba. Nosamborina i Petera . Tsy nahafaly ny fahavalo velively ny firoboroboan’ny Fiangonana kristiana, ka ireo mpitarika mihitsy no nasesiny haripaka. Zavatra efa nitranga tamin’i Jesoa rahateo koa izany , araka ilay teny manao hoe: « hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry » (Mar 14.27). Dia hitantsika araka izany fa tandra vadin-koditra amin’ny fisian’ny Fiangonana ny fanenjehena ka ampaherezina isika , na vahoaka na mpitarika kristiana . Aza kivy fa mijoroa!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV