Sekoly Protestanta FJKM

Miroso ho amin’ny tsaratsara kokoa !!!

Isika protestanta dia miara-mahalala fa raha jerena ety ivelany ny sekolin-tsika dia tsy afaka mifampitaha amin’ny an’ny antokom-pinoana hafa. Indraindray ary toa zary mahonena ny mahita fa tsy antonona ny zanatsika akory izany sekoly izany. Tsy antonona satria maro no te-hianatra nefa tsy tafiditra fa tsy ampy ny dabilio hipetrahana. Tsy ampy ny mpampianatra hanabe ireo ankizy. Tsy ampy ny efitrano hianarana. Tsy ampy ihany koa ny vola hikarakarana ny fandraharahana. Tsy ampy ny zavatra maro mba tsy ho tonga hatrany amin’ny hoe tsy ampy ny fikezahana.

Raha dinihina anefa dia alefantsika hianatra any amin’ny sekolim-pinoana hafa ny zanatsika. Tsy hoe ampy ny zavatra rehetra ny any amin’ireny sekoly hafa ireny fa mety ho manana izay tsy mahafeno azy ihany ireny.

Ary sao dia mba hambo-po diso toerana kosa. Sao dia hasiantsika fiheverana indray satria isika mihitsy no efa avy hatrany dia mikilasy ny antsika ho eny amin’ny rirany ? Fa raha toa tokoa ka tsy eo amintsika aloha no resy lahatra dia iza moa no hino fa mety hahavita isika, ary vonona hahavita. Fa tsy mety ahavita tokoa ary ve isika ? Manontany anao mpamaky ity lahatsoratra ity ary aho hoe : Tena tsy mety hahavita toy ny sekoly tsy miankina na miankina hafa ary ve ny sekolintsika protestanta ? Nefa anie ka ny ankamaroan’ny sekoly hafa rehetra ireo dia misy mpivavaka protestanta mitantana sy mampianatra avokoa, ary amin’ny ambaratonga rehetra izany ; eny na any amin’ny amin’ny fitantanana ara-panjakana momba ny fanabeazana rehetra any aza dia misy protestanta. Na fotoana inona na fotoana inona, na dia ny mpanjanatany aza dia efa nahafantatra hatry ny ela fa ny protestanta no tena havanana amin’ny fampianarana sy fanabeazana. Efa tarazo hatramin’ny andron’i Calvin anie fa mahay mitantana ny protestanta ary manana fahasoavana manokana hanitsy ara-pitantanana.

Raha fintinina izay voalaza teo ambony teo dia ny tsy fahampian’ny tsy fahasahiana handray andraikitra no lesoka lehibe tsy mampandroso. Tsy io ihany anefa fa efa hatry ny faha-zanatany no nosakanana tsy ahazo fiofanana hampisondrotra ny malagasy. Ka raha izany dia mbola voadonto ny lohan’ny protestanta na voazanaka. Fa mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe sao dia lasa vazaha taratasy avokoa isika protestanta ka hitantavana moka ary mitelin-drameva. Izaho aloa tsy mino hoe tsy tiantsika ny handrosoan’ny Protestantisma sy ny sekoliny. Samia ary maminavina ny ho avin’ny sekolintsika.

RAM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV