Talata 21 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 5.1-11

Fampianarana lehibe 3 no raisintsika eto :

1-Tandremo ny lainga

Nandainga i Ananiasy sy i Safira . Tsy manontolo no nomeny , nefa sahiny ny nilaza fa izay daholo ny vidin’ny taniny rehetra. Fahafatesana no vokany . I Jesoa dia nilaza fa ny devoly no rain’ny lainga (Jao 8.44). Tandremo , fa tsy misy « lainga masina ».

2-Tandremo ny mpivady miray tsikombakomba

Tena tsara ny hananan’ny mpivady firaisan-tsaina , nefa raha firaisan-tsaina amin’ny ratsy , amin’ny lainga toy ny hita eto ia tena mampidi-doza , ka tandremo. Izay mahalala , sahia mijoro ! Raha ianao vehivavy tahaka an’i Abigaila no mahalala ny marina , mijoroa! (1 Sam 25.3).

3-Tandremo fa Andriamanitra ny Fanahy Masina

Nambaran’i Petera eo amin’ny and 3 fa « nandainga tamin’ny Fanahy Masina  » i Ananiasy . Lazainy eo amin’ny and 4 fa nandainga tamin’ Andriamanitra izy . Inona no dikany ? Andriamanitra ny FANAHY MASINA . Tena foto-pinoana lehibe izany ka ifikiro fa aza mety rebireben’olona .Misy ny olona izay mandà ny maha- ANDRIAMANITRA ny Fanahy Masina . Eto anefa dia hitantsika fa efa tamin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa ninoana izany . Izany no inoantsika an’ Andriamanitra tokana : « ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat 28.19).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV