FJKM Ziona Vaovao PARIS

SYNODAMPARITANY VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA – 37

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, …» II Timoty 1 : 8a

FANASANA


« … fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Hianao. » Salamo 66 : 12d

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo,


Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika.


Fifaliana ho anay ny manasa anareo hiara-hiombom-bavaka aminay amin’ny : Ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Fisotroan-drononon’

Ny Mpitandrina RAKOTONIRINA Charles mivady

Ny fotoana sy ny toerana dia toy izao :

SABOTSY 08 JONA 2019, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny Chapelle Saint – Charles 2 Rue Geneviève Anthonioz-de Gaulle 91200 Athis-Mons .

Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy fiaraha-miala hetaheta izay hanasana ny kristianina rehetra izay ho tonga eny an-toerana. Dia mametraka ny veloma finaritra ho anareo ao amin’Ilay tia antsika ary manantena sahady ny fahatongavanareo maro sy ny fitrotroanareo am-bavaka ny fotoana.

Cachan, faha 01 may 2019

Ny Mpitantsoratry ny Fiangonana

Atoa Lanto RANDRIAMIHARISOA


Ny Filohan’ny Komitin’ny Jobily

Atoa Edgar RANDRIANARIVELO

Toriteny

FFKM/Fanambarana
Video

Toriteny 29 Martsa 2020
Video

toriteny
Video

Fampianarana / Fitiavana
Video

Perikopa 2020

Mey: Ankatoavy ny fitarihan'ny Fanahy Masina

| | 31. PENTEKOSTA
Isa 44.1-5 /Jao 3.1-8/Asa 4.8-12

Jona: MIHAVANA AO AMIN'NY TOMPO

| | 07. Ala.Trinite
Sal133.1-3/ Jao 13.34-35/ Rom 13.8-10

| | 14. Ala.I man Trin-SEKOLY FJKM
Lev 19.16-18/ Mar 9.33-50/ Fil 2.1-4

FJKM Fahazavana

FJKM ZOARA AMBOHIPO