Hafatry ny Filoha
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Dia ho feno olo-marina
Ny firenena manontolo !
Ho feno zanak’Andriamanitra
Ny birao rehetra haleha!
Ho feno zanak’Andriamanitra
Ny tsenan’asa sy fianarana,
Ho feno zanak’Andriamanitra
Ny toeram-pitsaboana
Ho feno zanak’Andriamanitra
irony toeram-pitsarana,
Ho feno zanak’Andriamanitra
ireo orinasa marobe
Ahitana mpandraharaha…
Ho feno zanak’Andriamanitra!
Tsy nofinofy izany akory
Raha isika rehetra izao
No samy vonona tokoa
Ka ny Filazantsara
No hanjary soatoavina
Am’izay rehetra atao,
Dia fahamarinana ivelomana
Fa tsy tanisain’ny vava,
Fahamarinana isan’andro
Fa tsy vonjy tavan’andro!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI