TOPAZA FJKM / 75 Taona

Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy”.

(Genesisy 21, 18)

Jobily faha 75 taona niorenan’ny TOPAZA/FJKM

Feno 75 taona katroka amin’ity taona 2019 ity no niorenan’ny TObim-PAnarenana ZAza na ny TOPAZA/FJKM. Iray amin’ny asa sosialy iandraikitan’ny Foibe FJKM izany. Ny TOPAZA izay miaina ny teny fanevany hatrany ampiandohana sy ho voizina amin’izao Jobily izao, arak’izay voarakitra ao amin’ny Genesisy 21, 18 : “Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy”.

Tamin’ny taona 1944 no niorenany tao amin’ny “Station missionnaire Fihaonana Vonizongo”, ao anatin’ny Synodamparitany Vonizongo Vavolombelona, fa tamin’ny taona 1980 kosa dia nikisaka ao Ambohipotsy, tanana mifanila tamin’ny kolejy Pastoraly fahiny izy.

Araka ny anarana entiny dia najoro ny Topaza ho toerana anabeazana ireo zaza kamboty sy tsy misy mpiahy. Mahatratra 42 ny isan’ireo beazina ao ankehitriny ka 26 lahy ary 16 vavy. 18 volana no zandriny indrindra raha 31 taona no farany zokiny.

Sarotra sy mankadiry ny asa sahanin’ity ivotoerana ity satria atrehina ny fitaizana amin’ny maha olona ka iatsorohana ny fampianarana ireo tonga taona rehetra, izay mahatratra 31 kanefa tsy azony ialana ny famelomana ireo zaza sy mbola omen-dronono, izay miisa 10 mianadahy. Atao indray manangona ny vary sy ny rononon-jaza. Ramatoa RAKOTOARIVONY Voahangiharinala Tanteliniaina, no Tale tomponandraikitra voalohan’ny fitantanana miaraka amin’ireo mpanabe miisa 11 miaraka aminy. Na izany aza, manana ny Komity Mpitantana ity Ivotoerana ity mba ho fampanarahan-drafitra eo amin’ny fifampitondrana. 16 mianadahy no mandrafitra izany ankehitriny ka Ramatoa RANDRIANJA Voahangy no mitarika io Komity Mpitantana io.

Fanomezan’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo miaraka amin’ireo Fiangonana izay mamaly ny antso no enti-manana izany fiahiana rehetra izany. Koa izao taon-jobily izao no atao dia mba ho fampahafantarana sy fanokafam-baravarana ataon’ny TOPAZA hitomboan’ireo hiara-miombonantoka aminy amin’izao aza mankadiry izao. Ankoatr’izany, ny Foibe FJKM dia manokana Alahady farany amin’ny volana Aprily ho Alahady itrotroana am-bavaka azy ireo ka anehoan’ny Fiangonana ny anjara fanampiany amin’y alalan’ny rakitra.

Raha tiana ny hanohy ny asa sy hahalavorary izany asa famonjena zaza isany dia tsy maintsy miroso amin’ny ho fijerena loharanom-bola maharitra ny TOPAZA. Koa amin’izao fotoam-pankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily faha 75 taonan’ny TOPAZA izao dia natao ho tsangambato hotratrarina ny hampijoroana “IVOTOERANA FANOFANANA SY FIALAMBOLY SY FANATANJAHANTENA”. Mitentina tahany amin’ny 240 tapitr’isa ariary ny tombam-bidin’ny ho tsangambato manontolo. Eny amin’ilay niorenany fahiny (Station missionnaire Vonizongo) no hanorenana izany. Ary noho ny fahalalahan’ny toerana sy hoenti-manana ny ara-tsakafo dia hifanindran-dalana amin’ny Ivotoerana ny “TETIKASA FAMBOLENA SY FIOMPIANA”.

Koa mba hahazoana manatratra izany dia efa tafatsangana ny Komitin’ny Jobily izay tarihin’Andriamatoa RAFALIMANANA Hery, Filohan’ny Komity.

Efa natomboka ny asa, hosokafana ny Jobily ka iantsoana ny rehetra mba hanatrika ny fanompoam-pivavahana hotanterahina ao amin’ny Katedraly Analakely amin’ny Sabotsy 27 aprily 2019 manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Ento ny namana, taomy ny sakaiza, ary ampirisiho ny Fiangonana satria ny asam-pamonjena dia tsy anjaran’olon-tokana satria isika rehetra efa manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy no manohy ny asa famonjeny ho voninahitry ny anarany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.

Ny Komitin’ny TOPAZA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV